Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 2

Misaotra, Jehovah

Misaotra, Jehovah

(1 Tesalonianina 5:18)

1. Misaotra, Jehovah, noho ny Teninao.

Mampianatra anay isan’andro ianao.

Misaotra satria tombontsoa ho anay

Ny mivavaka aminao, ry Ray.

2. Misaotra, Jehovah, noho ny Zanakao,

’Zay namonjy an’izao tontolo izao.

Misaotra amin’ireo toro lalanao.

Ny sitraponao no tianay hatao.

3. Misaotra, ry Ray, fa voninahitra

Ny mitory ny fahamarinana.

Misaotra satria ilay Fanjakanao

Dia hanova ny tany ho vaovao.