Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 34

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

Aoka Isika ho Mendrika ny Anarantsika

(Isaia 43:10-12)

1. Jehovah Tompo, Mahery Indrindra,

Manao ny rariny sy tia anay,

Be voninahitra sy fahendrena.

Ianao Mpanjaka, ho mandrakizay.

Ankamaminay ny fanompoana anao,

Ambaranay ilay Fanjakanao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Vavolombelonao ’zahay, Jehovah,

Ka te ho mendrika ny anaranao.

2. Faly ’zahay satria miara-manompo,

Mifankatia toy ny mpirahalahy,

Ka mifanampy, miray saina foana,

Mitory ny fahamarinana.

Satria mitondra ny anaranao ’zahay,

Dia hiezaka mba hankalaza anao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Vavolombelonao ’zahay, Jehovah,

Ka te ho mendrika ny anaranao.