Hira 11
Ampifalio ny Fon’i Jehovah
1. Efa nivoady izahay
Teo anatrehanao Rainay,
Ny hanao ny sitraponao
Sy hampifaly ny fonao.
2. Ireo sakafo ara-panahy
Avy amin’ny voahosotra
Dia mahasoa anay tokoa,
Ara-potoana avokoa.
3. Omeo fanahy masina
’Zahay mba tsy hivadika,
Hidera ny anaranao
Sy hampifaly ny fonao.
(Jereo koa ny Mat. 24:45-47; Lioka 11:13; 22:42.)