Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 38

Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

(Salamo 55)

1. Mba henoy re aho, Jehovah,

Fa mitaraina aminao.

Mitalaho ny fanampianao,

Fa mitebiteby aho.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Resaho amin’i Jehovah

Ny olana sy ’reo fahorianao.

Izy no hampahery anao,

Izy no fialofanao.

2. Mba te hanan’elatra aho

Handosirako haingana,

Mba tsy hampijalin’ireo

’Zay mitady hanohitra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Resaho amin’i Jehovah

Ny olana sy ’reo fahorianao.

Izy no hampahery anao,

Izy no fialofanao.

3. Rehefa misy fitsapana,

Jehovah no tokiko.

Izy no mampahery ahy,

Sady ianteherako.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Resaho amin’i Jehovah

Ny olana sy ’reo fahorianao.

Izy no hampahery anao,

Izy no fialofanao.

(Jereo koa ny Sal. 22:5; 31:1-24.)