Hira 43
Miambena, Mahereza
1. Miambena, mahereza,
Misikìna herim-po,
Fa ’zay miaritra hatrany,
Tena handresy tokoa.
Maneke ny baikon’i Kristy,
Aok’ianao mba hiandany aminy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Miambena sy mahereza
Hatramin’ny farany!
2. Miambena, mifohaza,
Aoka hisaina tsara.
Ankatoavy ny mpanompo
Mendri-pitokisana,
Ka ekeo ny solontenany,
’Reo mpiandraikitra voatendriny.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Miambena sy mahereza
Hatramin’ny farany!
3. Miambena, miareta,
Na dia maro no tsy tia.
Aok’isika hiray saina,
Manompoa ka mitoria.
Jehovah no derao hatrany,
Efa akaiky ’zao ny androny.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Miambena sy mahereza
Hatramin’ny farany!
(Jereo koa ny Mat. 24:13; Heb. 13:7, 17; 1 Pet. 5:8.)