Hira 5
Kristy no Modelintsika
1. Jehovah Raintsika
Dia be fitiavana,
Nomeny ’lay Zanany tena tiany.
Izy io no mofon’aina,
’Zay nampanantenaina,
Mba hiaina mandrakizay ny olony.
2. Mazotoa, hoy Kristy,
Mivavaka hatrany
Momba ny anaran’ilay Raintsika
Sy ny Fanjakany,
Izay sitrapony,
Ary ’zay ilaintsika rehetra.
3. Kristy nampianatra
Ny fahamarinana,
Ka nampahery an’ireo izay nijaly.
Koa ambarao foana
Ilay Fanjakana,
Satria ’zany no tena mahafaly.
(Jereo koa ny Mat. 6:9-11; Jaona 3:16; 6:31-51; Efes. 5:2.)