Hira 44
Mifalia Amin’ny Asa Fijinjana
1. Izao no fotoam-pijinjana,
Fotoana tena miavaka.
Ny anjely no tena mpijinja,
Fa mandray anjara isika.
Kristy no modely ho antsika,
Nitory sy nafana fo.
Faly ’sika nomena tombontsoa,
Izay sarobidy tokoa.
2. Manosika antsika hitory
Ny fitiavana lalina.
Tena maika ny fijinjana,
Tsy ho ela dia hifarana.
Mpiara-miasa amin’i Jehovah
’Reo manao izany asa izany;
Handray fitahiana sy valisoa
Rehefa manompo hatrany.
(Jereo koa ny Mat. 24:13; 1 Kor. 3:9; 2 Tim. 4:2.)