Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 92

“Torio ny Teny”

“Torio ny Teny”

(2 Timoty 4:2)

1. Nandidy antsika Jehovah,

Tena mila mankatò isika.

Koa aoka ho vonona hatrany

Hamaly ny olona ’zay manontany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mitoria,

Aina mantsy no vonjena!

Mitoria

Fa ny farany tsy ho ela.

Mitoria,

’Zay tso-po ampio hatrany.

Mitoria

Maneran-tany!

2. Tsy ny rehetra no mandray,

Ka tsy mora ny mitory ’ndraindray.

Na misy aza fanenjehana,

Jehovah foana ianteherana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mitoria,

Aina mantsy no vonjena!

Mitoria

Fa ny farany tsy ho ela.

Mitoria,

’Zay tso-po ampio hatrany.

Mitoria

Maneran-tany!

3. Rehefa tsy misy fandrarana,

Hararaoty ’zany ka mampianara.

Ampio ho voavonjy ’reo ’zay mino,

Ny anaran’i Jehovah hamasino.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mitoria,

Aina mantsy no vonjena!

Mitoria

Fa ny farany tsy ho ela.

Mitoria,

’Zay tso-po ampio hatrany.

Mitoria

Maneran-tany!