Hira 71
Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina
1. Jehovah Ray ô, ’zahay mba iantrao,
Omeo ny fanahy masinao,
Fa mahatsiaro ho tsy mendrika anao.
Tena lehibe noho ny fonay ianao.
2. ’Zahay, Jehovah, mpanota ihany,
’Ndraindray tsy fantatray ’zay hatao.
Koa mba miangavy, tariho hatrany
Amin’ny alalan’ny fanahinao.
3. Ianao, Jehovah, no antenainay,
Raha kivy ’zahay, mahatsiaro ho very;
Ka ny fanahy mampahery anay,
Hatanjaka toy ny voromahery.
(Jereo koa ny Sal. 51:11; Jaona 14:26; Asa. 9:31.)