Hira 36
“Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady
1. Nifanaiky ianareo
Teo anatrehanay,
Ho tady randran-telo
Sy mba ho nofo iray.
Mifankatiava hatrany,
Mahaiza miaraka.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Natambatr’i Jehovah,
Aza misaraka.
2. Jehovah no ekeo
Hitarika anareo,
Ny Teniny ampiharo,
Ho sambatra ianareo.
Hajao àry ilay voady,
’Zay tena miavaka.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Natambatr’i Jehovah,
Aza misaraka.
(Jereo koa ny Gen. 2:24; Mpito. 4:12; Efes. 5:22-33.)