Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 87

Iray Isika Izao

Iray Isika Izao

(Genesisy 2:23, 24)

1. Malalako sy namako,

’Zay nofo avy amin’ny nofoko,

Nomen’i Jehovah ianao.

Iray isika izao:

Dia nofo iray sy fo iray,

Satria Jehovah no nampiray;

Ka lasa fianakaviana

Fa efa tia sy tiana,

’Zaho sy ianao dia tsy mba hifandao.

Ny fitiavantsika,

Tsy ho lefy na hangatsiaka.

Isika izao efa mpivady,

’Ndao hiara-dia hanefa ilay voady:

Hanompo an’i Jehovah

Sy mba hifankatia, doria.