Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 47

Torio ny Vaovao Tsara

Torio ny Vaovao Tsara

(Apokalypsy 14:6, 7)

1. Mazava izao ’lay zava-miafina taloha,

Dia ’lay Fanjakan’ny Mesia hitondra soa.

Tia rariny Jehovah ary mamindra fo,

Ka nataony ’zay hamonjena ireo tso-po.

Ny fikasany dia efa nambarany:

Ny Zanany hanjaka hitondra ny tany,

Ary hisy ondry vitsy hiaraka aminy,

’Zay hampakarin’i Kristy ho vadiny.

2. Tian’i Jehovah hohazavaina ankehitriny

Ireo faminaniana maro be fahiny.

Asainy torintsika àry ’lay Fanjakany,

Ireo anjely koa manampy amin’izany.

Andraikitra sy tombontsoa ny antsika

Izay mitondra ny anaran’i Jehovah,

Satria Vavolombelony ’zay tafaray,

Mitory ’lay vaovao tsara mandrakizay.