Hira 49
Jehovah no Fialofantsika
1. Jehovah no ampinga
’Zay azo itokiana,
Ka izy no antsoina
Raha mila fanampiana.
Fa izy no fialofana
Sy manda fiarovana.
Matoky azy ’sika,
Aoka tsy ho be fanahiana.
2. Koa aza mora kivy,
Jehovah hiaro anao,
Na misy an’arivo
Ho lavo anilanao.
Ary aza mba matahotra,
Fa izy no hanavotra.
Hijery fotsiny ianao,
Tsisy loza hanjo anao.
3. Na feno fitaka aza
Izay alehanao,
Jehovah tena miaro,
Tsy mba irery ianao.
Na fandrika, na liona,
Ho toy ny tsinontsinona.
Eo foana i Jehovah,
Izy no hanafaka anao.
(Jereo koa ny Sal. 97:10; 121:3, 5; Isaia 52:12.)