Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 52

Arovy ny Fonao

Arovy ny Fonao

(Ohabolana 4:23)

1. Arovy tsara ny fonao,

’Zay loharanon’aina.

Mamitaka tokoa izy io,

Raha tsy baikoin’ny saina.

Jehovah anie mandinika

’Zay ao anatinao.

Koa mba tandremo ny fonao,

Ny lalàny araho.

2. Rehefa hianatra ianao,

Omano aloha ny fo.

Koa mivavaha fa Jehovah

Hanampy anao tokoa.

Ny fampianarana omeny

Dia tena mahasoa.

Koa ampiofano ny fonao

Ho zatra mankatò.

3. Arovy ny eritreritrao,

Ny ratsy halaviro,

Fa izay tsara sy madio

Saintsaino sy fikiro.

Ny Tenin’Andriamanitra

Raketo ao am-ponao.

Tompoy amin’ny fo izy,

Ataovy namanao.