Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 25

Famantarana ny Mpianatr’i Kristy

Famantarana ny Mpianatr’i Kristy

(Jaona 13:34, 35)

1. Misy lalàna iray, tadidio,

Mpanjakan’ny lalàna izy io.

Izany dia ny fitiavana,

Io ilay famantarana.

Aok’àry ’sika hifankatia,

Fa ’zay no didin’i Kristy.

Izy tokoa nahafoy ny ainy,

Tena tiantsika ny toe-tsainy.

2. ’Zay tena tia dia mahari-po,

Manampy ny malemy koa.

Trosa tsy maintsy aloa tokoa

Ny fitia vokatry ny fo.

Io no fatorana mampiray,

Tsy levona mandrakizay.

Tsisy fitiavana toy izany,

Afa-tsy amintsika ihany.