Hira 40
Katsaho Foana Aloha Ilay Fanjakana
1. Ny Fanjakan’i Jehovah,
Hanamarina ny zony.
Notendreny mantsy Kristy,
Mba hanao ny sitrapony.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Katsaho ilay Fanjakana
Sy ny fahamarinana.
Mampifaly an’i Jehovah
Ny tsy fivadihana.
2. Ny sakafo sy fitafiana,
Aza ataonao mampanahy.
Fa katsaho ilay Fanjakana
Dia hanampy Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Katsaho ilay Fanjakana
Sy ny fahamarinana.
Mampifaly an’i Jehovah
Ny tsy fivadihana.
3. Ambarao ilay Fanjakana,
Ireo mendrika ampianaro.
Ampio izy ’reo hanantena,
Fa Jehovah no Mpiaro.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Katsaho ilay Fanjakana
Sy ny fahamarinana.
Mampifaly an’i Jehovah
Ny tsy fivadihana.
(Jereo koa ny Sal. 27:14; Mat. 6:34; 10:11, 13; 1 Pet. 1:21.)