Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 81

“Ampitomboy ny Finoanay”

“Ampitomboy ny Finoanay”

(Lioka 17:5)

1. Jehovah ô, tsy lavorary ’zahay,

Ny fo mamitaka raha tsy baikoina.

Ny ota iray ’zay tena mpahazo anay

Dia izahay lasa tsy ampy finoana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ampitomboy ny finoanay, Jehovah.

Ampio ’zahay handeha mendrika anao.

Ampitomboy, hatanjaho ny finoanay,

Ho voninahitry ny anaranao.

2. Tsy maintsy mino ireo manatona anao,

Fa misy ianao sady mpamaly soa.

Ka ny finoana no ampinganay ’zao,

Sy miaro anay amin’ny hoavy koa.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ampitomboy ny finoanay, Jehovah.

Ampio ’zahay handeha mendrika anao.

Ampitomboy, hatanjaho ny finoanay,

Ho voninahitry ny anaranao.

(Jereo koa ny Gen. 8:21; Heb. 11:6; 12:1.)