Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 85

Hamaly Soa Anao Tokoa i Jehovah

Hamaly Soa Anao Tokoa i Jehovah

(Matio 19:29)

1. Jehovah mahita ny fanompoanao,

Ny fiaretanao fahoriana;

Fa maro ny zavatra nilaozanao,

Na trano na fianakaviana.

Nefa aza manahy fa honerany foana

Izay nafoinao hatrizay.

Omeny rahalahy maro be mantsy ianao,

Sy fiainana mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Matokia fa Jehovah tia tokoa.

Aza manahy fa izy hamaly soa.

Jehovah anie no fialofanao,

Tsy mivadika izy, tsy manary anao.

2. Tsy vitsy tokoa ’reo ’zay tsy manambady,

Na safidy ’zany na tsia.

Variana amin’ny fanompoana izy ’reo,

Ka mahatsiaro ho sambatra erỳ.

Ampio izy raha manirery ’ndraindray,

Isika no fianakaviany.

Tohano sy ankasitraho izy ’reo,

Mba tsy hamoy ny fifaliany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Matokia fa Jehovah tia tokoa.

Aza manahy fa izy hamaly soa.

Jehovah anie no fialofanao,

Tsy mivadika izy, tsy manary anao.