Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 127

Toerana Mitondra ny Anaranao

Toerana Mitondra ny Anaranao

(1 Tantara 29:16)

1. Jehovah, endrey ny hafalianay

Nahavita izao toerana izao,

’Zay naorinay ka irinay

Hitondra ny anaranao.

Ny harena, talenta sy hery

Dia avy aminao avokoa.

Omenay anao izy ’reny,

Avy amin’ny fonay tokoa.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tokananay ho anao anio

’Zao toerana kanto izao.

Ho an’ny anaranao izy io,

Mba ekeo sy ankasitraho.

2. ’Ty toerana ity hampiasainay

Hiderana anao ’rery ihany,

Koa tena hokolokoloinay

Ho kanto sy haharitra hatrany.

Tahio re ny ezaka ataonay,

Tahio mba hisy fitomboana.

Fa eto no efa nofidinay,

Sy natokanay hanompoana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tokananay ho anao anio

’Zao toerana kanto izao.

Ho an’ny anaranao izy io,

Mba ekeo sy ankasitraho.