Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 74

Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah

Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah

(Nehemia 8:10)

1. Efa mitondra izao ’lay Fanjakana,

Ny famantarana efa eo.

Koa mitrakà, satria efa tsy ho ela

Ny fanafahana anareo!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Fiarovana mafy ho antsika

Ny fifaliana avy ao am-po.

Koa rehefa manompo an’i Jehovah,

Mifalia hatrany, miravoa!

Lehibe ny anaran’i Jehovah,

Derao ilay Mpanjakantsika!

Ny fifaliana avy amin’i Jehovah,

Fiarovana mafy ho antsika.

2. Koa matokia, miandrasa an’i Jehovah,

Ary hadinoy ’reo fanahiana,

Satria mahery ny Andriamanitsika.

Manaova hiram-pifaliana!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Fiarovana mafy ho antsika

Ny fifaliana avy ao am-po.

Koa rehefa manompo an’i Jehovah,

Mifalia hatrany, miravoa!

Lehibe ny anaran’i Jehovah,

Derao ilay Mpanjakantsika!

Ny fifaliana avy amin’i Jehovah,

Fiarovana mafy ho antsika.