Hira 120
Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa
1. Jesosy Kristy nampianatra antsika,
Ka fantatsika fa mahasoa izany.
Kanefa raha te ho sambatra isika
Dia hankatò sy hitandrina hatrany.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
2. Manaova trano ambony vatolampy,
Izany mantsy no miaro ny aina.
Tsarovy fa ny mandre dia tsy ampy,
Ny mampihatra no tena ilaina.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
zo eo amoron’ny ony
3. Toy ilay ha’Reo mankatò an’i Jehovah Ray,
Satria mamoa ka tsy halazo intsony,
Homeny fiainana mandrakizay.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
’Zay mihaino sy mankatò
Dia hotahina tokoa.
Ho sambatra sy handray valisoa
’Zay mihaino sy mankatò.
(Jereo koa ny Deot. 28:2; Sal. 1:3; Ohab. 10:22; Mat. 7:24-27.)