Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 66

Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho, Jehovah

Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho, Jehovah

(Matio 22:37)

1. Jehovah, Ray Avo Indrindra,

Hanompo anao aho, ianao no tiako.

Tsy hivadika aminao aho,

Ny hankatò anao no fidiko.

’Reo lalànao tsy mba hialako,

Hataoko izay sitraponao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa ny foko manontolo,

Jehovah ô, atolotro anao.

2. Ireo asanao rehetra

Dia mankalaza anao avokoa,

Ka ny fiainako rehetra

Mba hiderako anao ihany koa.

N’aiza n’aiza aho, tsy hanadino

Fa nanokan-tena ho anao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa ny foko manontolo,

Jehovah ô, atolotro anao.