Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 113

Ankasitrahantsika ny Tenin’Andriamanitra

Ankasitrahantsika ny Tenin’Andriamanitra

(Filipianina 2:16)

1. Misaotra, ry Rainay, noho ny Teninao,

Avy amin’ny herin’ny fanahinao.

Ny hevitrao rehetra ’zay nosoratana ao

No ahafantaranay ny tokony hatao.

2. ’Reo mpanoratra azy io dia mba toa anay,

Nandia fahoriana sy kivy indraindray.

Kanefa ny finoany manohina ny fo,

Ka mandrisika anay haneho herim-po.

3. Manitsy ’zay diso, manafay tokoa,

Ny Soratra Masina ka mahasoa.

Maneho ’zay ao an-tsaina sy ’zay tena ao am-po,

Ka mampianatra anay ho hendry kokoa.