Hira 93
‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’
1. Ny fahazavantsika, Aoka hiavaka,
Ho toy ny masoandro, Tsy manavaka.
Koa ny asa tsara No anehoy izany.
Ny hevitr’Andriamanitra, Hazavao hatrany.
2. Itorio ny Teny ’Reo sahiran-tsaina,
Ary ampaherezo Izay mitaraina.
Aoka ho mamy sira Ny fiteninao,
Ataovy manintona Ny fitorianao.
3. Ny fitondran-tena Mba tandremo koa,
Satria sarobidy Toy ny vatosoa.
Asa tsara foana No ilaina hatao.
Aoka hamirapiratra Ny fahazavanao.
(Jereo koa ny Sal. 119:130; Mat. 5:14, 15, 45; Kol. 4:6.)