Hira 80
Ny Hatsaran-toetra
1. Faly ’sika mahalala
Fa Jehovah tsara toetra.
Ara-drariny daholo
Ireo asany rehetra.
Na tsy mendrika aza isika,
Dia mbola amindrany fo.
Koa misaora an’i Jehovah,
Manompoa an-tsitrapo.
2. Toy ny endrik’i Jehovah
No nanaovana antsika.
Afaka manahaka azy
Sy ny toetrany ’sika.
Mitafia hatsaran-toetra,
Fa Jehovah hanampy anao.
Vokatry ny fanahy izy io,
Mahasoa ka angataho.
3. Ny mpiray finoana indrindra
No anaovantsika soa,
Kanefa ny olon-kafa
Ampiantsika ihany koa.
Itorio ny olon-drehetra,
Aza mba manavaka.
Tafio ny hatsaran-toetra,
Izay tena miavaka.
(Jereo koa ny Sal. 103:10; Mar. 10:18; Gal. 5:22; Efes. 5:9.)