Hira 104
Andao Isika Hidera An’i Jah!
1. Derao i Jah,
Tompon’ny aina,
Ray tena tia, mpanome ’zay ilaina.
Hery lehibe
No isehoany,
Mahagaga ’nefa ny fahari-pony.
Derao ny anarany fa tena ambony.
2. Derao i Jah
Fa mpanao soa,
Mamaly vavaka, miantra tokoa.
Raha kivy ianao
Na miady saina,
Dia ny fanahiny foana antenaina.
Jehovah no mendrika hoderaina.
3. Derao i Jah
Fa be fiahiana,
Manao ny rariny, azo itokiana.
’Zay rera-po
Tena iantrany,
Hitondra soa maro ny Fanjakany.
Andao isika hidera azy hatrany!
(Jereo koa ny Sal. 94:18, 19; 145:21; 147:1; 150:2.)