Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 132

Hiram-pandresena

Hiram-pandresena

(Eksodosy 15:1)

1. Derao Jehovah, Mihiho an’Andriamanitsika.

Naringany avokoa Ireo tafik’i Farao.

Mahery Indrindra, Ny anarany atao hoe Jehovah.

Mpandresy lehibe, Izy re no ankalazao!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah ô, tsy miova ianao,

’Lay Avo Indrindra sy mandrakizay.

Hasandratrao tokoa ny anaranao,

Tsy ho ela ianao handresy indray.

2. ’Reo firenena ’Zay manohitra an’i Jehovah,

Ho ringana avokoa Amin’ny Hara-magedona.

Hankalazaina Mba ho fantatry ny rehetra

Ny anarany lehibe. Izy anie mandresy foana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah ô, tsy miova ianao,

’Lay Avo Indrindra sy mandrakizay.

Hasandratrao tokoa ny anaranao,

Tsy ho ela ianao handresy indray.