Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 62

An’iza moa Isika?

An’iza moa Isika?

(Romanina 14:8)

1. An’iza moa ianao?

Ary iza no ekenao?

Izay hajainao sy tompoinao,

Dia izy no andriamanitrao.

Tsy azonao atao

Ny manompo tompo roa.

Tsy maintsy manao safidy ianao:

Iza no tianao kokoa?

2. An’iza moa ianao?

Ary iza no ekenao?

’Zay hotompoinao fidio aloha:

’Lay marina sa ’lay diso?

Kaisara ihany ve

No mbola hankatoavinao?

Sa Jehovah izao no safidinao,

Dia hanompo azy ianao?

3. An’iza moa izaho?

Jehovah no ekeko izao;

Fa izy no Raiko ’zay hajaiko,

Ny voadiko tsy maintsy hefaiko.

Ny soron’i Kristy

Nomeny hanavotana ahy.

Koa vonona aho manomboka izao,

Hidera an’i Jehovah.