Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 96

Tadiavo Izay Mendrika

Tadiavo Izay Mendrika

(Matio 10:11-15)

1. Namela modely tokoa i Kristy,

Naniraka antsika toy ’zao:

‘Tetezo ny tanàna ka mitoria,

Dia tadiavo ’reo ’zay mendrika ao.

’Zay olona hitanareo arahabao,

Ny fiadanana anie ho azy ’reo!

’Zay mandroaka sy ’zay tsy tia dia ialao,

Ahintsano ny vovoka avy eo.’

2. Aoka ho mamy sira ny teninareo,

Ataovy manintona hatrany.

Nefa aza manahy ’zay holazainareo,

Fa Jehovah no hanoro izany.

Mandray Azy koa ’zay mandray anareo,

Satria tsara tokoa ny toe-pony.

Jehovah manokatra ny fon’ireo,

Mba hanao foana ny sitrapony.

(Jereo koa ny Asa. 13:48; 16:14; Kol. 4:6.)