Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 69

Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

(Salamo 25:4)

1. Nasainao ’zahay, ry Jehovah Rainay,

Ka mivory eto androany.

Ny Teninao re no ampianaro anay,

Fa jiro manazava izany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Atoroy ahy ireo fitsipikao,

Ampahafantaro ahy ny lalanao.

Ampio re aho ho tia ny fahitsiana,

Ny didinao mitondra fifaliana.

2. Ireo hevitrao mahatalanjona anay,

Fa lalina ny fahendrenao.

Ny Teninao no fitaratra ho anay,

Ka saintsaininay ’zay lazainao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Atoroy ahy ireo fitsipikao,

Ampahafantaro ahy ny lalanao.

Ampio re aho ho tia ny fahitsiana,

Ny didinao mitondra fifaliana.