Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 119

Mamelombelona Antsika Ireo Fivoriana

Mamelombelona Antsika Ireo Fivoriana

(Hebreo 10:24, 25)

1. Feno faharatsiana ity tontolo ity,

’Reo fakam-panahy mifanesy.

Mila fanampiana àry ’sika satria

Raha toa miady ’rery ho resy.

Ireo fivoriana, fiarovana hatrany

Mba tsy hihena ny finoantsika.

Mandrisika amin’ny asa tsara izany,

Sy mamelombelona antsika.

I Jehovah mantsy no mandidy hoe:

Mandehana foana mivory.

Isika raha miezaka hanatrika anie

Tsy handao ny marina akory.

2. Raha mahay mandamina sy hendry ianao,

Dia hanararaotra fotoana.

Fantatr’i Jehovah izay tena ilainao,

Koa miezaha mba hivory foana.

Eo ny fampianaran’ny anti-panahy,

’Zay manampy sy mampahery.

Eo koa ny fitiavan’ireo rahalahy,

Ka isika tsy mba irery.

Ilay valisoa dia tsy lavitra intsony,

Efa akaiky ny fitahiana.

Koa manehoa fahendrena avy any ambony,

Atreho àry ireo fivoriana!