Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Ho an’ny mpitory ilay Fanjakana,

Eritrereto hoe anisan’ireo apostoly nijoro teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ianao, ary niseho teo anoloanareo i Jesosy. Efa hiakatra ho any an-danitra izy tamin’izay, ary nilaza hoe: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Ho nanao ahoana ny fihetseham-ponao?

Nanahy angamba ianao satria goavana ilay asa. Nety ho nieritreritra ianao hoe: ‘Izahay vitsy kely ireto ve dia hahavita hitory any “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”?’ Tadidinao angamba fa nampitandrina toy izao i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa. Ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny teninareo koa. Noho ny anarako anefa no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.” (Jaona 15:20, 21) Nety ho nahalasa saina anao ireo teny ireo, ka nieritreritra ianao hoe: ‘Ahoana no hahafahako hitory amin’ny fomba feno, nefa hisy fanoherana sy fanenjehana?’

Tonga ao an-tsaintsika Vavolombelon’i Jehovah koa ny fanontaniana toy izany, satria nirahina hitory any “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany” isika, izany hoe amin’ny “olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:19, 20) Ahoana no hahavitana izany, nefa efa voalaza fa hisy fanoherana?

Tantarain’ny Asan’ny Apostoly fa nahavita an’ilay asa nanendrena azy ny apostoly sy ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany, noho ny fanampian’i Jehovah. Navoaka àry ity boky ity mba hanampiana anao handinika an’izany tantara mahafinaritra izany, ary mba ho toy ny hoe iainanao mihitsy ireo zava-nitranga mahaliana voatantara ao. Ho gaga ianao hahita fa maro no itovizan’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany sy ny ankehitriny. Mitovy ny asa nataon’izy ireo sy ny ataontsika, ary koa ny fomba nandaminana azy ireo hanao an’io asa io sy ny fomba andaminana antsika. Raha mandinika an’ireny fitoviana ireny ianao, dia vao mainka hino fa mitarika ny fandaminany eto an-tany foana i Jehovah Andriamanitra.

Izao no fanantenanay sy angatahinay amin’ny vavaka: Enga anie ny fandinihanao ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ka ho vao mainka hahatonga anao hatoky fa hanampy anao i Jehovah ary hanohana anao ny fanahiny masina. Enga anie izany ka handrisika anao ‘hitory amin’ny fomba feno ny Fanjakan’Andriamanitra’, sy hanampy ny hafa ho voavonjy.—Asa. 28:23, fanamarihana ambany pejy; 1 Tim. 4:16.

Ireo rahalahinareo,

Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah