Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaina ve ny Mandinika ny Baiboly?

Ilaina ve ny Mandinika ny Baiboly?

Fantatrao tsara ve ny Baiboly? Io no boky miely indrindra hatramin’izay. Milaza ny olona maro avy amin’ny kolontsaina rehetra fa mampahery sy mahabe fanantenana izy io, ary manome torohevitra mety tsara amin’ny fiainana andavanandro. Maro anefa no tsy dia mahalala an’io boky miavaka io. Ary ianao? Mba te hahafantatra bebe kokoa azy io ve ianao, na mpivavaka ianao na tsia? Hanampy anao ity bokikely ity satria mamintina izay voalazan’ny Baiboly.

MISY zavatra vitsivitsy tsara ho fantatrao, alohan’ny hamakianao ny Baiboly na ny Soratra Masina. Fitambarana boky 66 izy io, manomboka amin’ny Genesisy ary mifarana amin’ny Apokalypsy.

Mahaliana antsika koa hoe avy amin’iza ny Baiboly. Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra azy io, nandritra ny 1 600 taona mahery. Tsy nilaza anefa izy ireo hoe ny heviny no nosoratany. Hoy ny iray tamin’izy ireo: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:16) Hoy koa ny iray hafa: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.” (2 Samoela 23:2) Niaiky izy ireo fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpitondra Fara Tampony, ny Baiboly. Nampahafantarin’izy ireo koa fa tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy ny olona.

Mbola misy zava-dehibe hafa tokony ho fantatrao, mba hahazoanao tsara izay voalazan’ny Soratra Masina: Loha hevitra iray no velabelarina ao, dia ny hoe hanamarina ny zony hitondra antsika olombelona Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanjakany any an-danitra. Ho hitanao ato amin’ity bokikely ity fa miverimberina foana io loha hevitra io, manomboka ao amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy.

Hojerentsika izao izay voalazan’io boky malaza indrindra io, dia ny Baiboly. Tadidio ireo hevitra eo ambony ireo eo am-pandinihana izany.

^ feh. 9 Maro ny fomba ilazana daty, fa ny T.K. sy ny A.K. no ho hitanao ato amin’ity bokikely ity. Ny T.K. dia midika hoe Talohan’i Kristy, ary ny A.K. dia midika hoe Aorian’i Kristy. Hazava kokoa aminao izany, rehefa mijery ny tsipika misy daty eny ambany pejy ianao.