FIZARANA 1

Tao Amin’ny Paradisa ny Olona

Tao Amin’ny Paradisa ny Olona

Namorona ny zavamananaina eto an-tany Andriamanitra rehefa avy namorona ny lanitra sy ny tany. Namorona mpivady lavorary izy, nametraka azy ireo tao amin’ny paradisa, ary nanome didy azy ireo

“TANY am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Genesisy 1:1) Misy milaza fa ireo no teny fampidirana malaza indrindra. Ireo teny tsotra nefa manan-danja ireo no miresaka voalohany momba an’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Izy no Andriamanitra Mahery Indrindra, ary izy no tena resahin’ny Soratra Masina. Asehon’io andininy io fa i Jehovah no namorona ny habakabaka sy ny zavatra any ambony tsy taka-maso any ary ny tany. Manazava koa ireo andininy manaraka fa nanomana ny tany mba hiainantsika izy, nandritra ny fe-potoana maromaro nifanesy sy naharitra. Nandritra ireny fe-potoana antsoina hoe “andro” ireny no noforonina ny zavaboary rehetra teto an-tany.

Ny olombelona no zavaboarin’Andriamanitra tsara indrindra eto an-tany. Natao araka ny endrik’Andriamanitra ny olona, izany hoe manana ny toetrany, anisan’izany ny fitiavana sy fahendrena. Vovoka no namoronany ny lehilahy voalohany. Nantsoiny hoe Adama izy io, ary napetrany tao amin’ny paradisa na zaridaina kanto iray atao hoe Edena. Andriamanitra mihitsy no namboly hazo fihinam-boa maro sy tsara tarehy tao amin’io zaridaina io.

Hitany koa fa nila namana i Adama. Nakany àry ny taolan-tehezan’i Adama, ka nanamboarany vehivavy mba ho vadiny. Nantsoina hoe Eva izy io. Faly be i Adama, ka nanao izao tononkalo izao: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko.” Hita amin’ireo teny ireo fa natao hifandray akaiky izy mivady, ka nilaza Andriamanitra hoe: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.”—Genesisy 2:22-24; 3:20.

Nisy didy roa koa nomeny an’i Adama sy Eva. Voalohany, tokony hikarakara an’ilay zaridaina izy ireo, ary hiteraka ka hameno ny tany. Faharoa, tsy azo ihinanana ny voan’ny hazo iray teo amin’ilay zaridaina midadasika. Ho faty izy ireo, raha tsy mankatò ka mihinana amin’io “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” io. (Genesisy 2:17) Nanome an’ireo didy ireo Andriamanitra, mba hahafahan’izy mivady hampiseho fa manaiky azy ho Mpitondra izy ireo, ary tia azy sy mankasitraka ny soa nataony. Tena tsy nanana antony tsy hanekena an’io Mpitondra tsara fanahy io izy ireo. Izy mivady koa olona lavorary tsy nisy tsiny, satria hoy ny Baiboly: “Nijery an’izay rehetra nataony Andriamanitra, ka hitany fa tena tsara izany.”—Genesisy 1:31.

—Avy ao amin’ny Genesisy 1:1–2:25.