Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 9

Nangataka Mpanjaka ny Israelita

Nangataka Mpanjaka ny Israelita

Tsy nankatò i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, ka i Davida no nandimby azy. Nanao fifanekena tamin’i Davida i Jehovah hoe hataony maharitra mandrakizay ny seza fiandrianany

I SAMOELA no mpaminany teo amin’ny Israely, rehefa maty i Samsona. Nilaza tamin’i Samoela foana ny Israelita hoe te hanana mpanjaka olombelona toy ny firenen-kafa. Nampalahelo an’i Jehovah izany, nefa nanaiky ihany izy. Lehilahy nanetry tena atao hoe Saoly no nasainy notendren’i Samoela. Lasa niavonavona sy tsy nankatò anefa i Saoly tatỳ aoriana, ka tsy neken’i Jehovah ho mpanjaka intsony. Nasainy nanendry ankizilahy atao hoe Davida àry i Samoela. Taona maro tatỳ aoriana anefa i Davida vao tena lasa mpanjaka.

Nitsidika ny rahalahiny tany an’ady i Davida indray mandeha, angamba tamin’izy mbola zatovo. Raiki-tahotra ny tafik’i Saoly manontolo tamin’izay, satria nihantsy azy ireo sy ny Andriamaniny ilay miaramila filistinina atao hoe Goliata, izay nirefy telo metatra teo ho eo. Tezitra i Davida nandre ilay fihantsiana ka nanaiky hiady tamin’i Goliata. Pilotra sy vato vitsivitsy monja no nentiny niady, ka nesoin’io lehilahy goavam-be io izy. Nilaza anefa i Davida hoe manana fiadiana tsara kokoa izy, satria hiady amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitra. Vato iray monja dia nahafaty an’i Goliata, ary ny sabatr’izy io ihany no nanapahany ny lohany. Nihorohoro àry ny Filistinina ka nandositra.

Niaiky ny herim-pon’i Davida i Saoly, ka nataony lehiben’ny tafika izy. Nialona azy anefa i Saoly rehefa nahita ny fahombiazany. Notadiaviny hovonoina i Davida, ka voatery nandositra sy niafina nandritra ny taona maro. Na izany aza, dia tsy nivadika tamin’io mpanjaka io i Davida, satria fantany fa i Jehovah no nanendry azy io. Maty tany an’ady i Saoly tatỳ aoriana. Izy kosa lasa mpanjaka, araka ny nampanantenain’i Jehovah.

“Hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany.”—2 Samoela 7:13

Naniry mafy hanorina tempoly ho an’i Jehovah i Davida tatỳ aoriana, nefa nilaza i Jehovah fa ny iray amin’ny zanany no hanao izany. Tsy iza izy io fa i Solomona. Namaly soa an’i Davida i Jehovah na izany aza, ka nanao fifanekena taminy: Nampanantena izy fa hisy taranany hifandimby ho lasa mpanjaka, ary hiavaka izy ireo. Ho avy amin’izy ireo ilay Mpanafaka na Taranaka nampanantenaina tany Edena. Io Taranaka io no hantsoina hoe Mesia na “Voahosotra” voatendrin’Andriamanitra. Nampanantena i Jehovah fa ho lasa Mpanjaka izy io, ary haharitra mandrakizay ny Fanjakany.

Velom-pankasitrahana i Davida, ka nanangona fitaovana sy zava-tsarobidy maro hanorenana ny tempoly. Nanoratra salamo maro koa izy, noho ny fitarihan’ny fanahy masina. Niaiky toy izao izy, talohan’ny nahafatesany: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.”—2 Samoela 23:2.

​—Avy ao amin’ny 1 Samoela; 2 Samoela; 1 Tantara; Isaia 9:7; Matio 21:9; Lioka 1:32; Jaona 7:42.