FIZARANA 10

Mpanjaka Hendry i Solomona

Mpanjaka Hendry i Solomona

Nomen’i Jehovah fo hendry i Solomona Mpanjaka. Nandry feizay sy nanan-karem-be ny Israelita, teo ambany fitondrany

HANAO ahoana ny fiainana, raha manaiky ny fahefan’i Jehovah sy mankatò ny lalàny ny vahoaka sy ny mpitondra ao amin’ny firenena iray? Ho toy ny tamin’ireo 40 taona nanjakan’i Solomona.

Zanak’i Davida izy io, ary notendreny handimby azy, talohan’ny hahafatesany. Nasain’i Jehovah hangataka izay tiany i Solomona tao amin’ny nofy, ka nangataka fahendrena sy fahalalana, mba hitsarany ny vahoaka amim-pahendrena sy araka ny rariny. Faly i Jehovah, ka nanome azy fo hendry sy saina mahiratra, ary nampanantena fa raha mankatò foana izy, dia homeny harena sy voninahitra ary hataony ela velona.

Lasa nalaza i Solomona, satria nitsara tamim-pahendrena. Nisy vehivavy roa, ohatra, samy nilaza ho renin’ny zazakely iray. Nasain’i Solomona nozaraina roa ilay zaza, mba samy hanana antsasany avy izy roa. Nanaiky ny anankiray, fa ilay iray kosa niangavy avy hatrany mba homena an’ilay vehivavy iray ny zaza. Fantatr’i Solomona tamin’izany fa ilay nangoraka no tena reniny, ka nomeny azy ilay zaza. Tsy ela dia ren’ny Israely rehetra ilay didim-pitsarana, ka niaiky izy ireo fa nanana ny fahendren’Andriamanitra i Solomona.

Anisan’ny zavatra tsara indrindra nataon’i Solomona ny tempoly tao Jerosalema. Foiben’ny fivavahana teo amin’ny Israely io trano tsara tarehy io. Nivavaka toy izao i Solomona tamin’ny fitokanana azy io: “Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao, koa mainka fa ity trano naoriko ity!”—1 Mpanjaka 8:27.

Lasa nalaza be i Solomona, ka re hatrany Sheba, any Arabia, ny momba azy. Nanao dia lavitra mihitsy àry ny mpanjakavavin’i Sheba, mba hahita ny voninahiny sy ny harenany ary ny halalin’ny fahendreny. Tena gaga izy nahita ny fahendren’i Solomona sy ny harenan’ny Israely, ka nidera an’i Jehovah, izay nanendry an’io mpanjaka hendry io. Notahin’i Jehovah tokoa i Solomona, ka tamin’ny fotoana nanjakany no tena nanan-karena sy nandry feizay ny Israelita.

Nampalahelo fa tsy niaina nifanaraka tamin’ny fahendrena nomen’i Jehovah azy intsony i Solomona tatỳ aoriana. Tsy nankatò ny didiny izy fa nanambady vehivavy an-jatony. Maro tamin’ireny anefa no nanompo andriamani-kafa, ka nitarika azy tsikelikely hiala tamin’i Jehovah sy hanompo sampy. Nilaza taminy àry i Jehovah fa hesorina aminy ny fanjakana. Hisy ampahany ihany anefa havela ho an’ny taranany, noho ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida rainy. Tsy nivadika tamin’io fifanekena io i Jehovah, na dia nivadika aza i Solomona.

​—Avy ao amin’ny 1 Mpanjaka 1:1–11:43; 2 Tantara 1:1–9:31; Deoteronomia 17:17.