Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 12

Torohevitra Manatsara ny Fiainana

Torohevitra Manatsara ny Fiainana

Torohevitra avy amin’Andriamanitra no nangonina ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, ary tena tari-dalana amin’ny fiainana andavanandro. I Solomona no nanoratra ny ankamaroany

MPITONDRA hendry ve i Jehovah? Ho hita izany raha mandaitra ny toroheviny, ary mahatonga ny fiainan’ny olona ho tsara kokoa sy hisy dikany kokoa. Ho hitanao hoe mpitondra manao ahoana izy, rehefa mandinika ireo ohabolana an-jatony nampanoratiny an’i Solomona mpanjaka hendry ianao. Saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainana no voaresaka ao. Ireto misy ohatra:

Fatokisana an’Andriamanitra. Tena ilaina ny matoky an’i Jehovah, mba hifandraisana tsara aminy. Hoy i Solomona: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Mangataka tari-dalana amin’Andriamanitra sy mankatò azy ny olona matoky azy, ka lasa misy dikany ny fiainany. Mampifaly ny fon’i Jehovah izany, sady manampy azy hamaly ny fiampangan’i Satana fahavalony.—Ohabolana 27:11.

Fifandraisana amin’olona. Tena mila ny torohevitr’Andriamanitra momba ny fianakaviana isika ankehitriny. Manoro hevitra ny lehilahy manambady izy, ohatra, hoe: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao”, izany hoe aza manitsakitsa-bady. (Ohabolana 5:18-20) Manampy ny vehivavy koa ny modely omen’ny vehivavy iray hajain’ny vady aman-janany, voaresaka ao amin’ny Ohabolana. (Ohabolana toko faha-31) Ny ankizy indray asaina mankatò ny ray aman-dreniny. (Ohabolana 6:20) Hita ao amin’ny Ohabolana koa fa tena ilaina ny namana, satria lasa tia tena ny olona mitokantokana. (Ohabolana 18:1) Mety hitaona antsika hanao ny tsara na hanao ratsy anefa ny namantsika, ka mila mahay mifidy namana isika.—Ohabolana 13:20; 17:17.

Fomba fiainan’ny tsirairay. Tena mahasoa ny torohevitry ny Ohabolana hoe tokony hazoto hiasa, hanana toe-po tsara fa tsy fihetseham-po manimba, ary tsy hiboboka toaka. (Ohabolana 6:6; 14:30; 20:1) Misy fampitandremana koa ao hoe mampidi-doza ny hevitr’olombelona, rehefa tsy mifanaraka amin’ny torohevitr’Andriamanitra. (Ohabolana 14:12) Misy fampirisihana koa hoe mila harovana amin’izay mety hanimba azy ny fo, satria “avy ao aminy ny loharanon’aina.”—Ohabolana 4:23.

Misy olona an-tapitrisany eran-tany mahatsapa fa nihatsara ny fiainany, rehefa nanaraka an’ireo torohevitra ireo izy. Tena miaiky izy ireo fa tsara ny manaiky an’i Jehovah ho Mpitondra.

—Avy ao amin’ny bokin’ny Ohabolana.