FIZARANA 16

Tonga ny Mesia!

Tonga ny Mesia!

Nampahafantarin’i Jehovah fa i Jesosy avy any Nazareta no Mesia nampanantenaina hatry ny ela

NANAMPY ny olona hamantatra an’ilay Mesia nampanantenaina ve i Jehovah? Eny. Diniho ny nataony, 400 taona teo ho eo, taorian’ny nahavitan’ny Soratra Hebreo na “Testamenta Taloha.” Naniraka anjely iray atao hoe Gabriela izy ho any amin’i Maria, tovovavy nipetraka tao Nazareta any Galilia. Tena gaga i Maria tamin’izay. Nilaza ilay anjely fa hampiasa ny fanahiny masina Andriamanitra mba hampitoe-jaza azy, na dia virjiny aza izy. Io zazalahy haterany io no ho ilay Mpanjaka nampanantenaina hatry ny ela, izay hanjaka mandrakizay. Zanak’Andriamanitra izy io, satria ilay Zanany tany an-danitra ihany no hafindrany ao an-kibon’i Maria.

Neken’i Maria tamim-panetren-tena izany andraikitra lehibe izany. Nanambady azy i Josefa fofombadiny izay mpandrafitra, rehefa avy nilazan’ny anjely fa fahagagana no nahabevohoka an’i Maria. Ahoana anefa ilay faminaniana hoe ho teraka ao amin’ny tanàna kelin’i Betlehema ny Mesia? (Mika 5:2) Ahoana no hahatanterahan’izany, nefa 140 kilaometatra eo ho eo avy ao Nazareta no misy an’io tanàna io?

Nampanao fanisam-bahoaka ny mpitondra romanina, ka nandidy ny mponina rehetra mba hisoratra anarana any amin’ny tany niaviany. Toa samy teraka tany Betlehema i Josefa sy Maria, ka nentin’i Josefa nankany i Maria, izay bevohoka be. (Lioka 2:3) Niteraka tao amin’ny tranom-biby i Maria rehefa tonga tany, ary nampandry an’ilay zaza teo amin’ny fihinanam-bilona. Naniraka anjely Andriamanitra avy eo, mba hilaza tamin’ireo olona niandry ondry teo amin’ny havoana hoe io zaza io no ho Mesia na Kristy nampanantenaina.

Nisy porofo hafa koa hoe i Jesosy no Mesia. Voalazan’ny faminanian’i Isaia fa hisy lehilahy hanomana ny lalan’ny Mesia, izany hoe hampiomana ny olona mba handray azy. (Isaia 40:3) Tsy iza izy io fa i Jaona Mpanao Batisa. Hoy izy rehefa nahita an’i Jesosy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Nanaraka an’i Jesosy avy hatrany ny mpianatr’i Jaona sasany. Hoy ny iray tamin’izy ireo taorian’izay: “Efa hitanay ny Mesia!”—Jaona 1:29, 36, 41.

Tsy izay ihany anefa ny porofo. Rehefa nanao batisa an’i Jesosy i Jaona, dia niteny avy any an-danitra i Jehovah nanao hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:16, 17) Tonga tokoa ilay Mesia nampanantenaina hatry ny ela!

Oviana izany no nitranga? Tamin’ny taona 29, raha vao tapitra ireo 483 taona nolazain’i Daniela. Anisan’ireo porofo tsy azo lavina izany fa i Jesosy tokoa no Mesia na Kristy. Inona anefa no hafatra notorin’i Jesosy tamin’izy teto an-tany?

​—Avy ao amin’ny Matio 1:1–3:17; Marka 1:1-45; Lioka 2:1-52; Jaona 1:1-51.