Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 24

Ireo Taratasin’i Paoly

Ireo Taratasin’i Paoly

Nanoratra taratasy hampaherezana ny fiangonana kristianina i Paoly

VAO niforona ny fiangonana kristianina tamin’izay, ary handray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah izy io. Tsy ela taorian’izay anefa dia nenjehina ny Kristianina. Nisy olana hafa koa teo anivon’ny fiangonana. Tsy hivadika amin’Andriamanitra àry ve ireo Kristianina ireo? Nahazo torohevitra sy fampaherezana izy ireo, ao amin’ireo taratasy 21 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na “Testamenta Vaovao.”

Ny apostoly Paoly no nanoratra ny 14 amin’ireo: Ny Romanina ka hatramin’ny Hebreo. Mitondra ny anaran’ireo olona na fiangonana nandefasany azy izy ireo. Ireto ny santionany amin’ny zavatra nosoratany:

Torohevitra momba ny fitondran-tena. ‘Tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra’ ireo zatra mijangajanga, na manitsakitsa-bady, na manao fahotana lehibe hafa. (Galatianina 5:19-21; 1 Korintianina 6:9-11) Tsy maintsy miray saina ny mpanompon’Andriamanitra na inona na inona fireneny. (Romanina 2:11; Efesianina 4:1-6) Tokony hahafoy tena hanampy ny mpiray finoana sahirana izy ireo, ary hanao izany amim-pifaliana. (2 Korintianina 9:7) Nampirisika azy ireo i Paoly mba ‘tsy hitsahatra hivavaka’, ka hamboraka izay ao am-pony amin’i Jehovah. (1 Tesalonianina 5:17; 2 Tesalonianina 3:1; Filipianina 4:6, 7) Ilaina ny finoana mba hihainoan’Andriamanitra ny vavaka.—Hebreo 11:6.

Ahoana no hahasambatra ny fianakaviana? Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy, hanaja fatratra ny vadiny ny vehivavy, ary hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy satria mampifaly an’Andriamanitra izany. Mila mitari-dalana ny zanany amim-pitiavana ny ray aman-dreny, ary mitaiza azy mifanaraka amin’ny toro lalan’i Jehovah.—Efesianina 5:22–6:4; Kolosianina 3:18-21.

Tsipiriany momba ny fikasan’i Jehovah. Natao hiaro sy hitari-dalana ny Israelita, mandra-pahatongan’i Kristy, ny didy maro ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Galatianina 3:24) Tsy takina amin’ny Kristianina anefa ny fitandremana an’io Lalàna io. Nanazava ny dikan’ny Lalàna i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo, anisan’ny fivavahana jiosy taloha. Nasehony koa fa tanteraka amin’ny alalan’i Kristy ny fikasan’Andriamanitra. Nilaza koa izy fa mifanitsy amin’ny zava-mitranga atỳ aoriana ny lafiny sasany amin’ny Lalàna. Mifanitsy amin’ny sorona nataon’i Jesosy, ohatra, ny sorona biby. Io soron’i Jesosy io no ahazoana ny tena famelan-keloka. (Hebreo 10:1-4) Tamin’ny alalan’izy io koa no nanafoanan’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna, izay tsy nilaina intsony.—Kolosianina 2:13-17; Hebreo 8:13.

Fomba andaminana fiangonana. Lehilahy tsara fitondran-tena sy mahafeno an’ireo fepetra ara-baiboly no tendrena hanao ireo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. (1 Timoty 3:1-10, 12, 13; Titosy 1:5-9) Tokony hiara-hivory tsy tapaka ny mpanompon’i Jehovah mba hifampahery. (Hebreo 10:24, 25) Tokony hahazoana fampaherezana sy hianaran-javatra ny fivoriana.—1 Korintianina 14:26, 31.

Tany Roma indray i Paoly tatỳ aoriana, saingy tao am-ponja niandry didim-pitsarana. Tamin’izay izy no nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, ary olona be herim-po vitsivitsy monja no sahy nitsidika azy. Fantatr’i Paoly fa efa hovonoina ho faty izy, ka hoy izy: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2 Timoty 4:7) Toa tsy ela taorian’izay i Paoly no maty maritiora. Mitari-dalana ny tena mpanompon’Andriamanitra hatramin’izao anefa ny taratasy nosoratany.

—Avy ao amin’ny Romanina; 1 Korintianina; 2 Korintianina; Galatianina; Efesianina; Filipianina; Kolosianina; 1 Tesalonianina; 2 Tesalonianina; 1 Timoty; 2 Timoty; Titosy; Filemona; Hebreo.