Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famintinana Izay Voalazan’ny Baiboly

Famintinana Izay Voalazan’ny Baiboly
  1. Namorona an’i Adama sy Eva i Jehovah, mba hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Nanala baraka ny anaran’Andriamanitra i Satana, ary nilaza fa tsy manana zo hitondra Izy. Nikomy koa i Adama sy Eva, ka lasa mpanota sy maty izy sy ny taranany

  2. Nanameloka an’ireo mpikomy i Jehovah, ary nilaza fa hisy Taranaka hanorotoro an’i Satana, ka hanafoana ny vokatry ny fikomiana sy ny fahotana

  3. Nampanantena an’i Abrahama sy Davida i Jehovah fa avy amin’ny taranak’izy ireo ilay Taranaka, na Mesia, ho Mpanjaka mandrakizay

  4. Naniraka mpaminany i Jehovah hilaza fa hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana ny Mesia, izay ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanafoana ny ady sy ny aretina ary ny fahafatesana izy sy ireo hiara-manjaka aminy

  5. Nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany ny Zanany. Nampahafantariny fa i Jesosy no Mesia. Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, ary nanao sorona ny ainy. Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy, ary lasa fanahy

  6. Napetrak’i Jehovah ho Mpanjaka any an-danitra ny Zanany. Nanomboka teo ny andro faran’ity tontolo ity. Mitarika ny mpanara-dia azy amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany i Jesosy

  7. Hasain’i Jehovah hitondra ny tany ny Zanany. Hofoanan’ny Fanjakany ny fitondram-panjakana rehetra, hovany ho Paradisa ny tany, ary hataony lavorary ireo olona tsy mivadika. Ho voamarina ny zon’Andriamanitra hitondra ary tsy ho afa-baraka intsony ny anarany masina