Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ve ny Evolisiona?

Tena Misy ve ny Evolisiona?

‘Tsy misy afaka mandà fa manome hafanana ny masoandro. Tsy azo lavina koa fa misy ny evolisiona’, hoy i Richard Dawkins, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona.16 Iaraha-mahita tokoa fa mafana ny masoandro, ary efa voaporofo tamin’ny fikarohana izany. Iaraha-mahita sy voaporofo koa ve anefa fa misy ny evolisiona?

Misy zavatra mila hazavaina alohan’ny hamaliana izany. Hitan’ny mpahay siansa maro fa afaka miova kely ny taranaky ny zavamananaina iray, rehefa mandeha ny fotoana. Mahazo alika fohy tongotra kokoa na lava volo kokoa, ohatra, ny olona rehefa mampivady alika samy hafa. a Antsoin’ny mpahay siansa hoe “evolisiona bitika” ireny fiovana kely ireny.

Resahin’izy ireo fa nitambatambatra izany tao anatin’ny an’arivony tapitrisa taona ka lasa fiovana lehibe. Niova ho biby iray tarika amin’ny sahona, hono, ny trondro, ary lasa olona ny rajako. Antsoina hoe “evolisiona goavana” izany lazaina fa fiovana lehibe izany.

Charles Darwin sy ilay bokiny hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy)

Nilaza, ohatra, ilay mpikaroka atao hoe Charles Darwin fa matoa misy ny fiovana kely, dia azo inoana koa fa nisy ny fiovana lehibe, na dia tsy nisy nahita aza.17 Nino izy fa zavamananaina tsotra kely no niova tsikelikely nandritra ny fotoana lava be, ka nanome ireo karazan-javamananaina an-tapitrisany eto an-tany. “Faran’izay kely” hatrany, hono, “ilay fiovana.”18

Maro no mihevitra fa mitombina io fanazavana io. Mieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha miova kely tokoa ny karazan-javamaniry na biby iray, nahoana moa no tsy hiova be rehefa ela ny ela?’ b Ireto misy hevitra telo entin’izy ireo manamafy izany.

Hevi-diso 1: Manome karazany vaovao ny biby na zavamaniry iray, rehefa miova ny fototarazony. Ampianarin’ireo mino ny evolisiona goavana fa mety hanome karazany vaovao ny biby na zavamaniry iray, rehefa miova ny fototarazony. Mety ho lasa biby na zavamaniry hafa mihitsy aza, hono, ilay izy.19

Miova kely ny zavamaniry rehefa ovana ny fototarazony, fa tsy afaka ny hiova tanteraka. Lasa lehibe fotsiny, ohatra, ny felan’ilay voninkazo eto

Ny marina: Hita ao amin’ny fototarazo ny mombamomba ny zavamaniry na biby iray. Zavatra ao anatin’ny vihin’ny sela ny fototarazo. c Hitan’ny mpikaroka fa mety hampisy fiovana eo amin’ny taranaky ny zavamaniry na biby iray, ny fiovan’ny fototarazony. Mety ho lasa hafa tanteraka ve anefa ilay biby na zavamaniry? Andeha hojerentsika ny vokatry ny fikarohana natao nandritra ny 100 taona momba ny fototarazo.

Efa nino ny mpahay siansa fa izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra ihany no sisa velona teto an-tany fahiny. Niova ho azy, hono, ny fototarazony avy eo, ka nanome karazana biby na zavamaniry vaovao izy. Nihevitra àry ny mpahay siansa, taloha kelin’ny 1940, fa vao mainka hihatsara ny karazana biby sy zavamaniry ho azo, raha ny olona mihitsy no manova ilay fototarazo. Hoy i Wolf-Ekkehard Lönnig, mpahay siansa avy amin’ny fikambanana iray d any Alemaina: “Faly be ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny zavamananaina sy ny fototarazo, ary indrindra ny mpamboly sy mpiompy.” Fa nahoana? Hoy ihany i Lönnig, izay nandinika ny fiovana ao amin’ny fototarazon’ny zavamaniry, nandritra ny 30 taona teo ho eo: ‘Nino izy ireo fa ho azo hatsaraina amin’izay izao ny fambolena sy fiompiana. Nihevitra ry zareo hoe hahazo zavamaniry na biby vaovao sy tsara kokoa, raha izy ireo mihitsy no manova ny fototarazo, ka izay ahitana fiovana tsara no tazoniny.’20 Nisy aza nanantena fa ho afaka hamorona biby sy zavamaniry hafa mihitsy.

Novana fototarazo ireto, nefa mbola lalitra ihany fa lasa kilemaina fotsiny

Nanomboka nanao fanandramana àry ny manam-pahaizana tany Etazonia sy Azia ary Eoropa. Naharitra 40 taona mahery izany. Nomena vola be izy ireo mba hanaovana azy io, ary nampiasa fomba noheverina fa hanafaingana ny evolisiona. Inona no vokany? Hoy ny mpikaroka iray atao hoe Peter von Sengbusch: ‘Tena tsy nahomby ny ezaka natao mba hamokarana zavamaniry na biby tsara kokoa, nefa vola be no lany.’21 Hoy i Lönnig: ‘Tsy nahomby ny mpahay siansa eran-tany. Nanomboka tamin’ny 1980 àry, dia foana hatreo ilay fanantenana sy hafaliana be. Natsahatra ny fanovana fototarazo, tany amin’ny tany mandroso. Maty na tsy matanjaka ny biby sy zavamaniry azo, fa tsy toy ny hafa.’ e

Nandritra ny 100 taona teo ho eo ny mpahay siansa no nikaroka momba ny fiovan’ny fototarazo. Niezaka nanova ny fototarazon’ny biby na zavamaniry koa izy ireo nandritra ny 70 taona, mba hahazoana karazany vaovao. Inona no hitan’izy ireo? Hoy i Lönnig: ‘Tsy mampiova tanteraka ny [zavamaniry na biby iray] ny fiovan’ny fototarazony. Anisan’ny manaporofo izany ny fanandramana sy fikarohana natao nandritra ny taonjato faha-20.’

Hitan’i Lönnig tamin’ny fikarohana nataony fa ‘efa voafetra ny fiovana afaka mitranga eo amin’ny biby na zavamaniry iray, ka tsy misy afaka mihoatra an’izany.’22 Tsy afaka miova ho hafa tanteraka àry ny zavamaniry na biby iray rehefa miova ny fototarazony.

Eritrereto ny dikan’izany. Na ny manam-pahaizana be aza tsy nahavita nanao karazana biby na zavamaniry vaovao, koa ahoana no hampisy an’izany ho azy eo? Tsy azo inoana mihitsy àry hoe misy ny evolisiona, satria efa noporofoin’ny fikarohana fa tsy manova ny biby na zavamaniry iray ho hafa tanteraka ny fiovan’ny fototarazony.

Hevi-diso 2: Izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra no manome karazany vaovao. Nino i Darwin fa izay zavamaniry na biby matanjaka indrindra no sisa velona teto an-tany fahiny, fa maty kosa ireo osaosa. Ampianarin’ireo mino ny evolisiona hoe rehefa niely eran-tany ny biby sy zavamaniry, dia maty ny sasany satria tsy nahazaka an’ilay toerana vaovao nisy azy. Natanjaka kosa, hono, ny hafa satria niova ny fototarazony mba hahavitany hiaina eo amin’ilay toerana. Nihaniova ny taranany tatỳ aoriana, ka lasa hafa tanteraka.

Ny marina: Noresahina teo aloha fa tsy mampisy zavamaniry na biby vaovao tanteraka ny fiovan’ny fototarazo. Ary ahoana ilay hoe izay biby na zavamaniry matanjaka indrindra no sisa velona eo amin’ny toerana iray, ary ireo no manome karazany vaovao? Inona no porofo omen’ny mpikaroka? Milaza ny bokikely iray navoakan’ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa (NAS), tamin’ny 1999, fa azo anaporofoana izany ireo ‘karazana fody 13 nodinihin’i Darwin tao amin’ireo Nosy Galápagos. Antsoina hoe fodin’i Darwin izy ireo.’23

Nandinika an’ireo vorona ireo ny mpikaroka maromaro notarihin’i Peter sy Rosemary Grant, teo anelanelan’ny 1970 sy 1980. Nisy hain-tany tany an-toerana nandritra ny herintaona. Hitan’izy ireo fa ny fody bebe vava no tsy mora maty tamin’ilay izy, raha noharina tamin’ireo kelikely vava. Voalaza fa tena nilaina izany zavatra hitan’ny mpikaroka izany. Ny habe sy ny bikan’ny vavany mantsy no tena anavahana an’ireo karazana fody 13. Hoy ihany ilay bokikely: ‘Nilaza ry Grant fa raha misy hain-tany isaky ny 10 taona eo ho eo any amin’ireo nosy ireo, dia mety hisy karazana fody vaovao any, ao anatin’ny 200 taona eo ho eo monja.’24

Nisy zavatra tsy nolazain’ilay bokikely anefa. Ny fody kelikely vava indray no betsaka, taona vitsivitsy taorian’ilay hain-tany. Hitan’ny mpikaroka fa niovaova arakaraka ny toetany ny habetsahan’ireo vorona, ka izay bebe vava no betsaka indraindray, ary ireo kelikely vava kosa amin’ny fotoana hafa. Voamarika koa fa nivady ny sasany tamin’ireo lazaina fa “karazany” samy hafa ireo, sady tsy mora maty kokoa noho izy ireo ny zanany. Ary raha mbola mivady foana ireo vorona ireo, dia mety tsy hisy “karazany” samy hafa intsony.25

Hita tamin’ny fodin’i Darwin fa mety hahatanty ny fiovana eo amin’ny manodidina azy ny karazam-biby iray, saingy tsy hoe miova ho hafa tanteraka

Manome karazany vaovao tokoa àry ve izay biby na zavamaniry matanjaka indrindra? Am-polony taona lasa izay, dia nanjary tsy tena nino an’izany i George Williams, manam-pahaizana momba ny evolisiona.26 Hoy koa i Jeffrey Schwartz, mpampianatra momba ny evolisiona, tamin’ny 1999: ‘Mety hahatanty ny fiovana eo amin’ny manodidina azy tokoa ny zavamaniry na biby matanjaka kokoa. Tsy manome karazany hafa tanteraka anefa ilay izy.’27

Tsy lasa vorona “hafa tanteraka” àry ny fodin’i Darwin. Mbola fody ihany izy ireo. Toa tsy mety koa ny famaritan’ny mpino ny evolisiona ny atao hoe karazana. Mivady mantsy ireo fody ireo, nefa lazaina fa samy hafa. Hita koa fa tsy milaza ny tena zava-misy na dia ny akademia malaza momba ny siansa aza, rehefa te hanohana ny fampianarany.

Hevi-diso 3: Hita avy amin’ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny fa nisy ny evolisiona goavana. Hoy ilay bokikelin’ny NAS: ‘Niova imbetsaka ny trondro talohan’ny niovany ho biby iray tarika amin’ny sahona. Toy izany koa ny biby iray tarika amin’ny sahona talohan’ny niovany ho biby mandady, ny biby mandady talohan’ny niovany ho biby mampinono, ary ny rajako talohan’ny niovany ho olona. Sarotra àry matetika ny mamaritra hoe oviana marina no niova tanteraka ny karazam-biby iray.’28 Toa te hilaza io bokikely io hoe nisy ny evolisiona, rehefa jerena ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny.

Ny marina: Mahagaga ihany ny tenin’ilay bokikely. Nilaza mantsy i Niles Eldredge, manam-pahaizana momba ny evolisiona sady tena mpanohana azy io, fa “zara raha niova na tsy niova mihitsy ny ankamaroan’ny karazam-biby na zavamaniry”, nandritra ny fotoana lava be. f29

Hita avy amin’ireo taolam-biby fahiny fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby, ary zara raha niova

Maro be ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny efa nofongarina sy notehirizin’ny mpahay siansa eran-tany. Tokony ho 200 tapitrisa ny lehibe amin’izany, ary an’arivony tapitrisa ny kely. Maro ny mpikaroka miaiky hoe hita avy amin’ireny sisan-javatra ireny, fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny biby ary zara raha niova. Nisy karazany maro koa maty tampoka.

“Minomino foana” izay mino ny evolisiona

Nahoana no maro ny mpikaroka fanta-daza manizingizina fa tena misy ny evolisiona? Nitsotra i Richard Lewontin, manam-pahaizana malaza momba ny evolisiona, fa manaiky fampianarana tsy mitombina ny mpahay siansa maro. ‘Efa ninoany hatramin’izay [mantsy] hoe tsy nisy namorona izao rehetra izao, ka tsy te hiova hevitra izy.’ Maro aminy aza no tsy manaiky handinika sao mba misy ihany izany Mpamorona tena mahira-tsaina izany. Nilaza i Lewontin hoe: ‘Tsy azonay ekena mihitsy hoe misy Andriamanitra.’30

Hoy koa ilay manam-pahaizana atao hoe Rodney Stark, tao amin’ny gazety Amerikanina Siantifika: “Naverimberina nandritra ny 200 taona fa tsy tokony hanaiky hotaomin’ny fivavahana ianao, raha te ho mpahay siansa.” Nilaza koa izy fa “tsy sahy miresaka momba an’Andriamanitra ny mpivavaka”, any amin’ny oniversite mpanao fikarohana.31

Mino zavatra tsy marim-pototra ianao, raha manaiky ny fampianarana momba ny evolisiona. Voalohany, inoanao fa ny zavamananaina be pitsiny rehetra, dia avy tamin’ny zavamananaina niova fototarazo sy natanjaka indrindra. Hita tamin’ny fikarohana naharitra 100 taona anefa, fa tsy miova ho hafa tanteraka ny karazan-javamaniry na biby iray, na dia miova aza ny fototarazony. Faharoa, ekenao fa nivoatra miandalana avy tamin’ny zavamananaina tokana ny zavamananaina rehetra. Hita avy amin’ireo sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny anefa fa nisy tampoka ny ankamaroan’ny karazan-javamaniry sy biby, ary tsy niova ho karazany hafa, na dia efa ela be aza no nisiany. Iaraha-mahalala koa fa misy heriny eo amin’ny hevitra ijoroantsika ny zavatra inoantsika. Tsy mino, ohatra, ny mpahay siansa maro hoe misy Andriamanitra. Tsy hiova hevitra mihitsy izy ireo, na inona na inona porofo ara-tsiansa hitany. Raha izany rehetra izany no jerena, dia hita fa “minomino foana” izay mino ny evolisiona.

a Matetika anefa no lasa tsy miasa tsara intsony ny fototarazon’ilay zanak’alika. Tsy mitombo tsara, ohatra, ny taolan’ilay karazana alika atao hoe teckel, ka izany no mahatonga azy ho fohy kely.

b Voambolan’ny mpahay siansa ilay hoe “karazana” ampiasaina matetika ato. Tsy mitovy amin’ilay teny hoe ‘karazana’ ao amin’ny Genesisy anefa izy io. Tsy miova ho karazany vaovao, araka ny fiheveran’ny mpahay siansa azy, ny taranaky ny zavamaniry na biby iray. Mbola iny karazana iny ihany ilay izy, fa manana ny mampiavaka azy fotsiny. Izany no tian’ny Genesisy holazaina amin’ny hoe ‘karazana.’

c Tsy miankina amin’ny vihin’ny sela ihany anefa ny endriky ny zavamananaina, fa amin-javatra hafa koa, anisan’izany ilay ranoka ao anatin’ny sela sy ny fonony.

d Miasa ao amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Fambolena i Lönnig. Mino izy fa nisy namorona ny zavaboary. Heviny samirery no ato fa tsy avy amin’io fikambanana io.

e Imbetsaka no hitan’ny mpikaroka fa nihena hatrany ny fiovana vaovao, ary ny teo aloha ihany no niverina. Ankoatra izany, dia latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo zavamaniry nisy fiovana no mba azo nanaovana fanandramana fanampiny. Ary latsaka ny 1 isan-jato monja tamin’ireo no azo namidy. Tsy nisy zavamaniry vaovao azo anefa. Vao mainka ratsy ny fiovana teo amin’ny biby. Natsahatra tanteraka àry ilay fanovana fototarazo.

f Manana porofo vitsivitsy ihany ny mpikaroka momba ny sisan-javamaniry sy taolam-biby, nefa na ireo aza mbola mampisalasala azy. Jereo ny pejy 22 ka hatramin’ny 29 amin’ilay bokikely Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.