Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 2

Iza moa Andriamanitra?

Iza moa Andriamanitra?

Iray ihany ny tena Andriamanitra. Jehovah no anarany. (Salamo 83:18) Any an-danitra izy ary tsy afaka mahita azy isika. Tia antsika izy ary iriny ho tia azy isika. Tiany ho tia ny olon-kafa koa isika. (Matio 22:35-40) Izy no Avo Indrindra sady Mpamorona ny zavatra rehetra.

Anjely mahery iray no noforonin’Andriamanitra voalohany indrindra. Nantsoina hoe Jesosy Kristy izy io, tatỳ aoriana. Namorona anjely hafa koa i Jehovah.

Namorona ny zavatra rehetra any an-danitra. . .sy etỳ an-tany i Jehovah. Apokalypsy 4:11

Namorona ny kintana sy ny tany ary ny zava-drehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitra.—Genesisy 1:1.

Izy koa no namorona an’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Vovoky ny tany no nanaovany azy.—Genesisy 2:7.