Fizarana 6

Inona no Ianarantsika avy Amin’ilay Safodrano?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ilay Safodrano?

Noringanin’Andriamanitra ny ratsy fanahy, fa novonjeny kosa i Noa sy ny fianakaviany. Genesisy 7:11, 12, 23

Avy ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina ary difotry ny rano ny tany. Maty daholo ny ratsy fanahy.

Niverina ho anjely ireo anjely nikomy ary lasa demonia.

Tafavoaka velona ireo tao anaty sambofiara. Maty i Noa sy ny fianakaviany tatỳ aoriana, nefa mbola hatsangan’Andriamanitra ary ho afaka hiaina mandrakizay.

Mbola handringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, ary hamonjy ny tsara fanahy. Matio 24:37-39

Mbola mamitaka ny olona i Satana sy ireo demonia.

Mitarika ny olona amim-pitiavana i Jehovah ankehitriny, nefa maro no tsy tia an’izany, toy ny tamin’ny andron’i Noa ihany. Kely sisa dia horinganin’i Jehovah ny ratsy fanahy rehetra. —2 Petera 2:5, 6.

Misy olona toa an’i Noa ankehitriny. Mihaino sy manaraka an’izay lazain’Andriamanitra izy ireo. Tsy iza izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah.