Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 8

Midika ho Inona ho Anao ny Fahafatesan’i Jesosy?

Midika ho Inona ho Anao ny Fahafatesan’i Jesosy?

Maty i Jesosy mba hahavelomantsika. Jaona 3:16

Nankao amin’ny fasan’i Jesosy ny vehivavy vitsivitsy, telo andro taorian’ny nahafatesany. Foana anefa ilay fasana! Efa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy.

Niseho tamin’ny apostoliny izy taorian’izay.

Natsangan’i Jehovah tokoa i Jesosy, ary nataony anjely mahery sy tsy mety maty. Nahita ny niakarany tany an-danitra ny mpianany.

Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesosy ary nataony Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Daniela 7:13, 14

Nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho an’ny olombelona i Jesosy. (Matio 20:28) Afaka manome antsika fiainana mandrakizay Andriamanitra, noho io vidim-panavotana io.

Notendren’i Jehovah ho Mpanjaka hitondra ny tany i Jesosy. Hisy olona tsy mivadika hiara-manjaka aminy. Miisa 144 000 izy ireo ary hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra. I Jesosy sy ireo 144 000 no anisan’ilay fitondram-panjakana any an-danitra, izay antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra. —Apokalypsy 14:1-3.

Hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny ady, heloka bevava, fahantrana, ary hanoanana. Ho sambatra tokoa ny olombelona. —Salamo 145:16.