Fizarana 11
Mihaino Antsika ve i Jehovah?
Mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra. 1 Petera 3:12
“Mpihaino vavaka” i Jehovah. (Salamo 65:2) Tiany raha avy amin’ny fo izay lazaintsika aminy.
Aza mivavaka amin’olon-kafa, fa amin’i Jehovah ihany.
1 Jaona 5:14
Maro ny zavatra azontsika resahina amin’ny vavaka.Mivavaha mba hatao any an-danitra sy etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra.
Ataovy amin’ny anaran’i Jesosy ny vavaka ataonao, mba hampisehoana fa ankasitrahanao izay nataony ho anao.
Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanao ny tsara. Afaka mivavaka momba ny sakafo, asa, fialofana, fitafiana, ary fahasalamana koa ianao.