Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hiresahako Amin’i Dada sy Neny?

Ahoana no Hiresahako Amin’i Dada sy Neny?

Toko 1

Ahoana no Hiresahako Amin’i Dada sy Neny?

“Mba niezaka erỳ aho niresaka izay tao am-poko tamin’ny dadanay sy mamanay. Notapahin-dry zareo anefa ny teniko, dia tsy tafavoakako indray ilay izy!”—Rotsy.

NAZOTO erỳ ianao nanontany zavatra tamin’ny dadanao sy mamanao, tamin’ny mbola kely. Notantarainao taminy daholo koa na zavatra tsy nisy dikany aza. Tsy nisalasala mihitsy ianao niresaka izay tao am-ponao sy tao an-tsainao. Narahinao foana ny toroheviny.

Hitanao anefa izao fa tsy hoatran’ny taloha intsony ry zareo. Tsy azony izay mahazo anao. Hoy i Felana: “Nitomany aho, indray hariva izay, tamin’izahay nisakafo, sady nilaza izay tao am-poko tamin’ny dadanay sy mamanay. Mba nihaino ahy ihany ry zareo, nefa hoatran’ny tsy azony mihitsy ilay izy. Naleoko namonjy fandriana sady vao mainka aho nitomany be!”

Tsy te hiresaka amin’ny ray aman-dreninao koa anefa ianao indraindray. Hoy i Setra: “Miresaka zavatra be dia be izahay, nefa mba misy zavatra tsy tiako ho fantany ihany.”

Diso ve ianao raha misy zavatra tsy lazainao amin’ny ray aman-dreninao? Tsy voatery, raha mbola tsy zava-dratsy ilay izy. (Ohabolana 3:32) Mba mila miresaka aminy ihany anefa ianao, ary izy koa mila mahalala izay any an-tsainao sy any am-ponao. Tokony hanao izany ianao, na dia hoatran’ny tsy tsapany aza ny mahazo anao, ary na dia tsy te hiresaka aza ianao.

Miresaha foana!

Toy ny hoe mitondra fiara ianao rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreninao. Na misy sakana aza, dia tsy ho kivy ianao fa hitady lalan-kafa. Inona, ohatra, ny sakana mety ho hitanao?

SAKANA 1 Te hiresaka ianao, fa toa tsy mihaino ry zareo. Hoy i Lila: “Mahasosotra mihitsy ny miresaka amin’ny dadanay! Efa miteny elaela aho indraindray vao hoy izy: ‘An? Ahoana hozy ianao?’ ”

Ahoana raha tena mila miresaka ny olana mahazo azy i Lila? Manana safidy telo izy, fara fahakeliny. (Jereo ilay efajoro etsy ambony.)

Safidy A

Mivazavaza amin’ny dadany hoe: “Henoy aho ho’ah fa zava-dehibe ange ity lazaiko amin’i Dada ity e!”

Safidy B

Tsy miresaka amin’ny dadany intsony. Aleony tsy tantaraina intsony ny olana mahazo azy.

Safidy D

Miandry fotoana mety kokoa hiresahana an’ilay izy indray. Miresaka mivantana amin’ny dadany i Lila, na manoratra taratasy.

Iza amin’ireo no hitanao hoe tokony hataony? ․․․․․

Andeha hojerentsika ny mety ho vokatry ny safidy tsirairay.

Variana ny dadan’i Lila ka tsy mahita fa efa tezitra be izy. Raha ilay Safidy A no fidin’i Lila, dia mety tsy ho azon’ny rainy hoe nahoana izy no mivazavaza. Tsy manaja ny dadany koa izy, ary vao mainka mety tsy hihaino azy ny dadany. (Efesianina 6:2) Tsy mety àry io safidy io.

Ilay Safidy B no tsotra indrindra, saingy io no tena tsy mety. Nahoana? Satria “tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana.” (Ohabolana 15:22) Mila miresaka amin’ny dadany i Lila, raha te hamaha ny olana mahazo azy. Mila mahalala izay mitranga aminy koa ny dadany, vao afaka manampy azy. Tsy vahaolana àry ny tsy miresaka.

Ary ahoana raha ilay Safidy D no fidin’i Lila? Mbola hiezaka hiresaka amin’ny dadany izy, fa miandry fotoana mety fotsiny. Azony atao koa anefa ny manoratra taratasy ho an’ny dadany. Mety ho maivamaivana avy hatrany izy amin’izay. Mety ho tafavoakany tsara koa izay tena tiany holazaina. Hazava amin’ny dadany kokoa àry hoe inona ilay olana mahazo azy. Sady hahasoa an’i Lila io safidy io, no hahasoa an’ny dadany koa.

Inona no zavatra hafa azon’i Lila atao? Soraty eto izany, raha mahita ianao. Soraty avy eo ny mety ho vokany.

․․․․․

SAKANA 2 Te hiresaka aminao ny ray aman-dreninao, nefa ianao tsy mazoto. Hoy i Sarindra: “Tsy tiako mihitsy ny anontanintaniana raha vao tonga ao an-trano. Nandreraka be ny tany am-pianarana, dia efa tsy te hieritreritra an’ilay izy intsony aho. Vao miditra ny trano anefa aho, dia anontanian-dry dadanay sy mamanay hoe: ‘Nanao ahoana ny tany? Tsisy olana?’ ” Azo inoana hoe tsy te hila vaniny ry zareo. Tsy te hiresaka fianarana anefa i Sarindra rehefa reraka ny vatany sy ny sainy.

Inona no azon’i Sarindra atao? Manana safidy telo koa izy, fara fahakeliny. (Jereo ilay efajoro eo ambony.)

Safidy A

Milelalela hoe: “Sshh! Aoka aloha ka!”, dia avy eo tsy mety miresaka.

Safidy B

Miresaka ihany saingy mamaly boraingina.

Safidy D

Miangavy hoe zavatra hafa aloha no resahina, fa amin’ny manaraka vao miresaka ny tany am-pianarana. Miteny, ohatra, izy hoe: “Tsy aleo amin’ny manaraka miresaka an’izany? Tena mbola vizana aho tsinona. Fa nanao ahoana aloha ny anareo e? Nandeha tsara?”

Iza amin’ireo no hitanao hoe tokony hataony? ․․․․․

Andeha hojerentsika indray ny mety ho vokatry ny safidy tsirairay.

Sorena sy tsy te hiresaka i Sarindra. Raha ilay Safidy A àry no fidiny, dia mbola ho sorena foana izy. Hanenina koa izy satria nilelalela tamin’ny ray aman-dreniny.—Ohabolana 29:11.

Ny ray aman-dreniny kosa halahelo, satria nilelalela izy ary avy eo tsy niteny tsy nivolana. Mety hatahotra koa ry zareo sao misy zavatra afeniny. Mety hotereny hiresaka mihitsy aza i Sarindra, nefa vao mainka izany hampahatezitra azy. Tsy mety àry io safidy io.

Tsara noho ilay safidy A ny Safidy B. Efa mba mifampiresaka mantsy i Sarindra sy ny ray aman-dreniny. Tsy tena amin’ny fo anefa ilay izy, ka tsy mahafinaritra.

Ary ahoana raha ilay Safidy D no fidiny? Tsy ho sorena be intsony i Sarindra, satria tsy hiresaka fianarana izy sy ny ray aman-dreniny. Ho faly koa izy mivady satria miezaka miresaka izy. Io no safidy tena tsara, satria samy ‘mihevitra izay hahasoa ny hafa’ izy ireo, “fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”Filipianina 2:4.

Fidio tsara ny teny holazaina

Tadidio fa mety ho hafa mihitsy ny fandraisan’ny ray aman-dreny ny tenin’ny ankizy. Aoka hatao hoe manontany izy mivady hoe: “Fa maninona ianao no mimonjomonjo?” Raha miteny ilay ankizy hoe: “Tsy maninona aho e!”, dia mety ho izao no fandraisany azy: “Tsy te hiresaka aminareo aho. Ianareo tsinona tsy hahavita hanampy ahy. Aleoko ny namako no hiresahako.” Ahoana ny anareo ao an-trano? Andeha hatao hoe manana olana ianao, ary milaza ry zareo fa te hanampy anao.

Raha mamaly ianao hoe: “Aza miditra amin’izany ianareo e!”

Inona no mety hoeritreretiny? ․․․․․

Inona àry no hitanao hoe valin-teny mety kokoa? ․․․․․

Fidio tsara àry ny teny holazainao. Mahaiza manaja rehefa miteny. (Kolosianina 4:6) Ataovy an-tsaina fa tsy fahavalonao ny ray aman-dreninao fa namanao. Tadidio koa fa mila olona hanampy anao foana ianao, rehefa manana olana.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana raha mifamaly foana ianao sy ny ray aman-dreninao isaky ny miresaka?

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Amin-kitsim-po no itenenako, ary amim-pahatsorana.’—Joba 33:3.

SOSO-KEVITRA

Manana olana ve ianao, nefa matahotra hiresaka amin’ny dadanao na mamanao? Miaraha aminy, ohatra hoe mandehandeha na miantsena, dia amin’izay no resaho ilay izy.

FANTATRAO VE... ?

Toa anao ihany ny dadanao sy mamanao. Misalasala sady matahotra izy ireo rehefa hiresaka zavatra sasany aminao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko amin’ny manaraka, raha tsy mazoto hiresaka amin’i Dada sy Neny aho: ․․․․․

Izao no hoteneniko raha mbola misisika hiresaka ihany ry zareo: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no ho vokany raha fidinao tsara ny fotoana ifampiresahanareo?—Ohabolana 25:11.

● Nahoana no ilaina ny miresaka amin’ny ray aman-dreny?—Joba 12:12.

[Teny notsongaina, pejy 10]

‘‘Sarotra indraindray ny miresaka amin’ny ray aman-dreny. Rehefa teneninao aminy anefa izay ao am-ponao, dia hoatran’ny hoe nisy entana mavesatra be nesorina teny aminao.’’—Mialy

[Sary, pejy 8]

Misy lalan-kafa azo aleha foana, na misy sakana aza eny an-dalana. Afaka mahita fomba iresahana amin’ny ray aman-dreninao foana koa ianao na misy aza ny olana