Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona àry Izahay no Mifamaly Foana?

Maninona àry Izahay no Mifamaly Foana?

Toko 2

Maninona àry Izahay no Mifamaly Foana?

Vakio ilay tantara kely etsy ampita. Nisy zavatra telo nataon’i Rachel, ka nampifamaly azy sy ny reniny. Soraty eto izany, ary jereo raha mitovy amin’izay voalazan’ilay efajoro hoe “ Valiny”, ao amin’ny pejy 20.

․․․․․

Alarobia hariva tamin’izay. Nahavita ny raharahany rehetra i Rachel, 17 taona, ary mba haka aina amin’izay. Nalefany ny tele, ary nitsotsotra teo amin’ilay seza tena tiany izy.

Tamin’izay indrindra no niditra avy any ny reniny, sady hoatran’ny tezitezitra. Hoy izy: “Toa ilaozanao mijery tele fotsiny, nefa ianao tokony hanampy ny zandrinao amin’ny devoarany? Sarotra irahina mihitsy ianao ity!”

Ningonongonona i Rachel hoe: “Izay indray.”

“Ahoana tsara hoe e?”, hoy ny reniny.

“Izaho angaha niteny”, hoy izy nisento sady nangarika.

Izay vao tena tezitra ny reniny. Hoy izy: “Izaho aza anaovana fiteny hoatr’izany an!”

Namaly i Rachel hoe: “Ary ny fiteninareo amiko?”

Vita hatreo ny fakana aina, ary raikitra indray ny fifamaliana.

MIFAMALY hoatr’izany koa ve ianao sy ny ray aman-dreninao, sady amin’izay efa ho isan’andro mihitsy? Iza amin’ireto no tena mampifamaly anareo? Asio ✔ eo akaikiny. Raha tsy voalaza eo ilay izy, dia soraty eo amin’ilay hoe “Zavatra hafa.”

□ Fihetsika

□ Raharaha

□ Akanjo

□ Ora fodiana

□ Fialam-boly

□ Namana

□ Fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy

□ Zavatra hafa ․․․․․

Samy sorena ianao sy ny ray aman-dreninao rehefa mifamaly, na inona na inona mampifamaly anareo. Aleonao mangina fotsiny indraindray, ary mody manaiky izay rehetra lazainy. Tsy izany anefa no tian’Andriamanitra hataonao. Marina fa miteny ny Baiboly hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efesianina 6:2, 3) Asainy mandinika koa anefa ianao, izany hoe miezaka ‘mampiasa ny sainao.’ (Ohabolana 1:1-4; Romanina 12:1) Marina fa mety tsy hitovy hevitra amin’ny ray aman-dreninao ianao, rehefa avy mandinika toy izany. Tsy hifamaly anefa ianareo, fa samy hahay hilaza ny hevitrareo, raha manaraka izay voalazan’ny Baiboly.—Kolosianina 3:13.

Inona àry no tokony hataonao, mba tsy hifamaly ianareo rehefa miresaka? Mety hiteny ianao hoe: “Ry zareo ange no tokony hiezaka fa tsy izaho e! Ry zareo tsinona no tena be teniteny eo!” Tsy aleonao ve anefa ny fihetsikao no ovana? Tsy ho vitanao mantsy ny hanova olona, anisan’izany ny ray aman-dreninao. Azo inoana hoe tsy ho tezitra ry zareo, fa hihaino anao kosa raha ataonao izay tsy hampifamaly anareo.

Ampiharo àry ireto soso-kevitra ireto, dia ho hitanao fa hahay hilaza ny hevitrao ianao. Mety ho gaga ny ray aman-dreninao, ary na ianao koa aza.

Mieritrereta aloha vao mamaly. Aza tonga dia lazaina izay ao an-tsainao rehefa voateny ianao. Mety hilaza, ohatra, ny mamanao hoe: “Fa maninona no tsy nosasanao ny vilia? Sarotra irahina mihitsy ianao ity!” Te hamaly avy hatrany angamba ianao hoe: “Ianareo koa be menomenona a!” Mieritrereta anefa aloha. Manitatra ny ray aman-dreny indraindray, ka mampiasa teny toy ny hoe “foana” na “mihitsy.” Aza atao am-po anefa izany. Jereo kosa sao misy zavatra mahasorena na mampalahelo azy.

Sorena angamba ny mamanao satria be loatra ny raharahany. Mety ho tiany ho fantatra fotsiny hoe vonona hanampy azy ianao. Vao mainka ianareo hifamaly, raha miteny ianao hoe be menomenona izy. Ataovy àry izay tsy hampahatezitra azy. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Andraso fa hataoko izao dia izao àry e. Dia tsy tezitra amiko intsony i Neny an?” Tandremo anefa ny fiteninao sao maneso. Tsy ho tezitra intsony izy, raha hitany fa malahelo azy ianao. Mety holazainy aminao mihitsy aza hoe inona no tena mahasorena azy. *

Soraty eto izay teny masiaka fanaon’ny dadanao na mamanao.

․․․․․

Inona no azonao lazaina, mba tsy ho tezitra be intsony izy? Soraty eto izany.

․․․․․

Mahaiza manaja rehefa miteny. Hoy i Zo: “Isaky ny mifamaly izahay sy mamanay, dia miteny foana izy hoe tsy tiany ny fomba firesako.” Hitan’i Zo àry fa tsy nety ny nataony. Tsy tian’ny ray aman-dreninao koa ve ny fomba firesakao? Mianara àry miteny mora sy miadana, ary aza mangarika na mirintondrintona. (Ohabolana 30:17) Manaova vavaka fohy sy mangina, raha mitady ho tezitra be ianao. (Nehemia 2:4) Tsy mety anefa ny mivavaka hoe: ‘Ataovy tsy mibedy ahy intsony ry Dada sy Neny.’ Afaka mangataka kosa ianao mba hahay hifehy tena, amin’izay ianareo tsy hifamaly be.—Jakoba 1:26.

Soraty eto izay teny sy fihetsika fanaonao, nefa tsy tokony hatao.

Teny:

․․․․․

Fihetsika:

․․․․․

Mihainoa. Milaza ny Baiboly fa mety hiteniteny foana ianao raha miteny be loatra. (Ohabolana 10:19) Avelao àry mba hiresaka ny ray aman-dreninao, ary henoy tsara izy. Aza tapahina ny teniny, na dia te hiaro tena aza ianao. Mihainoa fotsiny aloha. Mbola ho afaka hanontany sy hanazava ny hevitrao foana ianao, rehefa tapitra ny teniny. Vao mainka ianareo hifamaly, raha ny anao foana no asesikao. Aleo aloha ‘mangina’ na dia betsaka aza ny zavatra tiana holazaina.—Mpitoriteny 3:7.

Mahaiza miala tsiny. Tsara foana ny miteny hoe “azafady”, na inona na inona nataonao ka nampifamaly anareo. (Romanina 14:19) Afaka miteny mihitsy aza ianao hoe: “Mifona aho Neny fa lasa nifamaly isika a.” Manorata taratasy kely raha tsy sahy miresaka mivantana ianao. Miezaha, avy eo, hanitsy izay fahadisoana nataonao. (Matio 5:41) Raha bedy, ohatra, ianao satria tsy nanao raharaha, dia ataovy ilay izy na dia tsy tianao aza. Ho faly ny ray aman-dreninao amin’izay, ary ianao koa tsy ho bedy indray avy eo. (Matio 21:28-31) Ataovy an-tsaina ny soa horaisinao raha miezaka tsy hifamaly amin’ny ray aman-dreninao ianao.

Mifamaly tsindraindray na ny fianakaviana sambatra aza, kanefa hainy ny mandamina izany. Araho ireo soso-kevitra noresahina tato, dia mety tsy hiady ianao sy ny ray aman-dreninao, na dia rehefa miresaka zavatra mety hampifamaly aza.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mahatsiaro ho voafehifehy ve ianao? Inona àry no azonao atao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 26 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 21.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Ny marina mieritreritra vao mamaly.’—Ohabolana 15:28.

SOSO-KEVITRA

Rehefa miresaka aminao ny ray aman-dreninao, dia aza variana amin-javatra hafa fa henoy tsara izy. Raha mihaino mozika ianao na mamaky boky, dia ajanòny izany.

FANTATRAO VE... ?

Tsy hiferinaina lava ianao, raha miezaka mandamina ny fifamaliana eo aminao sy ny ray aman-dreninao, na miezaka tsy hifamaly aminy mihitsy. Hoy ny Ohabolana 11:17: “Manao soa amin’ny tenany ny olona tsara fanahy.”

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ny torohevitra tena tiako harahina ato amin’ity toko ity dia: ․․․․․

Hampihariko io torohevitra io manomboka amin’ny ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ny ankizy sasany no mieritreritra hoe ratsy ny manaiky ho resy rehefa mifamaly amin’olona?

● Nahoana Andriamanitra no milaza fa adala ny olona tia mifamaly?—Ohabolana 20:3.

● Inona no soa horaisinao raha miezaka tsy hifamaly amin’ny ray aman-dreninao ianao?

[Teny notsongaina, pejy 18]

‘‘Mahafinaritra ahy ny ataon’ny mamanay. Miala tsiny izy indraindray sady sakambininy aho. Tonga dia milamina ny adinay. Mba miezaka manao hoatr’azy koa aho, na dia be hambom-po aza. Hitako hoe misy vokany tsara ilay izy.’’ —Mihaja

 [Efajoro, pejy 20]

Valiny

1. Ningonongonona izy (“Izay indray”), ka vao mainka tezitra ny reniny.

2. Nangarika izy.

3. Namalivaly izy (“Ary ny fiteninareo amiko?”), ka raikitra ny fifamaliana.

[Sary, pejy 19]

Toy ny mihazakazaka eo am-pitoerana ianao raha mifamaly amin’ny dadanao na mamanao. Reraka ianao, nefa tsy tonga na aiza na aiza akory