Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Voafehifehy Be Aho?

Inona no Hataoko fa Voafehifehy Be Aho?

Toko 3

Inona no Hataoko fa Voafehifehy Be Aho?

“Tiako raha mba avelan’ny dadanay sy mamanay mandeha irery any amin’ny toerana sasany aho!”—Sarah, 18 taona.

“Manontany an-dry dadanay sy mamanay foana aho hoe: ‘Maninona aho no tsy avelanareo miaraka amin’ny namako? Tsy matoky ahy angaha ianareo?’ Izao, matetika, no avaliny: ‘Ny namanao no tsy atokisanay, fa tsy ianao.’ ”—Christine, 18 taona.

TSY te ho voafehifehy hoatran’i Sarah sy Christine ve ianao? Tsy maintsy ataonao aloha izay hatokisan’ny ray aman-dreninao anao. Toy ny vola anefa ny fatokisana. Tsy mora azo izy io nefa mora very. Toa tsy mety ampy koa izay anananao, na dia efa betsaka aza. Hoy i Lala, 16 taona: “Rehefa mba misy alehako, dia misikotsikotra ahy foana ry dadanay sy mamanay hoe: ‘Ho aiza indrỳ? Iza avy no hiaraka amin-drỳ? Inona no hataonareo any? Amin’ny firy no mody?’ Marina aloha fa ray aman-dreniko ry zareo, nefa tsy tiako mihitsy ny anontanintaniana hoatr’izany!”

Inona àry no azonao atao mba hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao, ka tsy hifehifehy anao loatra? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana ny tanora no mifamaly amin’ny ray aman-dreniny rehefa voafehifehy be.

Tsy mitovy hevitra

Milaza ny Baiboly fa ‘mandao ny rainy sy ny reniny’ ny lehilahy rehefa lehibe, ary toy izany koa ny vehivavy. (Genesisy 2:24) Miomana ho amin’izany ianao, amin’izao taonanao izao. Tsy maintsy ho lasa olon-dehibe mantsy ianao any aoriana any, ary mety hitokan-trano. *

Mila miezaka anefa ianao vao ho lasa olon-dehibe azo atokisana. Aza mieritreritra hoe tsotra kely hoatran’ny miditra varavarana ilay izy. Toy ny miakatra tohatra kosa ianao. Misy zanatohatra maromaro tsy maintsy iakarana. Mihevitra angamba ianao hoe efa tafakatra ambonimbony, izany hoe efa mba olon-dehibe. Tsy mitovy hevitra aminao anefa ny ray aman-dreninao. Hoy i Mino: ‘Efa 20 taona aho, nefa mbola mieritreritra ihany ry dadanay sy mamanay hoe tsy mahay mifidy namana aho. Raha taomin’ny ankizy haditra, hono, aho dia tsy hahavita hanohitra. Noteneniko ry zareo hoe efa nahavita aho, nefa mbola tsy atokisany foana!’

Rehefa mitranga ny zavatra hoatr’izany, dia matetika no mampiady. Tsy matoky anao àry ve ny ray aman-dreninao? Ary ahoana raha naditra ianao, ka lasa tsy natokisany intsony? Inona no azonao atao?

Asehoy fa azo atokisana ianao

Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ianao ho mendri-pitokisana amin’izay ataonao.’ (Salamo 37:3) Asehoy àry fa azo atokisana ianao. Tsy ho voafehifehy loatra ianao amin’izay. Tsy midika anefa izany hoe tokony ho lavorary ianao. Manao fahadisoana daholo mantsy ny olona rehetra. (Mpitoriteny 7:20) Diniho anefa sao ny zavatra ataonao ihany no mahatonga ny ray aman-dreninao tsy hatoky anao.

Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ (Hebreo 13:18) Ary ianao? Milaza ny marina ve ianao rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreninao an’izay toerana alehanao sy ny zavatra ataonao? Diniho izay nataon’ireto ankizy ireto, ary valio ny fanontaniana eo ambany.

Lova: “Nisy ankizilahy tiako be izay, dia nandefasako e-mail foana. Tratran’ny dadanay sy mamanay ilay izy, dia nasainy najanoko. Nilaza aho hoe tsy hanao intsony, nefa mbola notohiziko ihany ilay izy nandritra ny herintaona. Rehefa tratra aho, dia nifona, sady nampanantena fa tsy hanao intsony, nefa mbola nanoratra ihany. Lasa tsy natoky ahy intsony ry zareo, na tamin’inona na tamin’inona!”

Nahoana ny ray aman-drenin’i Lova no tsy natoky azy intsony? ․․․․․

Inona no ho nataonao raha ianao no ray aman-dreniny? Nahoana? ․․․․․

Inona no tokony ho nataon’i Lova tamin’izy bedy voalohany, mba hampisehoany fa azo atokisana izy? ․․․․․

Bakoly: “Tsy natokitoky ahy mihitsy ry dadanay sy mamanay taloha raha vao resaka ankizilahy. Izao vao fantatro ny antony. Nisy ankizilahy roa nitovitovy taona tamiko, samy nahataratara ahy. Nifampitelefaonina ela be izahay. Ry zareo koa no tena niresahako rehefa tafaraka tany amin’ny fety izahay. Tsy navelan’ny dadanay sy mamanay nitelefaonina aho tao anatin’ny iray volana, sady tsy navelany ho any amin’izay toerana nety hahitako azy roa lahy.”

Inona no ho nataonao raha ianao no ray aman-drenin’i Bakoly? Nahoana? ․․․․․

Tafahoatra ve ny sazy nomen’izy ireo? Raha eny, nahoana? ․․․․․

Inona no tokony ho nataon’i Bakoly mba hatoky azy indray ny ray aman-dreniny? ․․․․․

Tianao hatoky anao indray ve izy ireo?

Ahoana raha ny zavatra nataonao no mahatonga ny ray aman-dreninao tsy hatoky anao? Aza kivy fa mbola misy ny vahaolana.

Toy izay hitaraina hoe tsy matoky anao ry zareo, tsy aleo ve atao izay ahitany fa mbola azo atokisana foana ianao? Rehefa matoky anao kokoa mantsy izy ireo, dia tsy hifehifehy be anao intsony. Hoy i Anja: “Rehefa lehibe aho vao tonga saina hoe hay tena ilaina tokoa ilay atokisan’ny olona. Faly aho fa mba efa lasa matoky ahy kokoa izao ry dadanay sy mamanay. Tiako raha mba matoky ahy foana ry zareo, dia te hiezaka hitandrina aho.”

Efa manao tsara an’ireto ve, ohatra, ianao, sa mbola mila miezaka? Asio ✔ izay mbola mila iezahanao.

□ Manaja ny ora fodiana

□ Mitana ny teny natao

□ Manaja fotoana

□ Tsy mandanilany vola

□ Mamita tsara ny raharaha

□ Tsy miandry hofohazina

□ Mampirim-pandriana

□ Milaza ny marina

□ Tsy variana loatra amin’ny telefaonina sy ny tele

□ Miaiky fahadisoana ary miala tsiny

□ Zavatra hafa ․․․․․

Miezaha àry raha mbola tsy vitanao tsara ny sasany amin’ireo, mba ho hita fa azo atokisana ianao. Araho ireto torohevitra ireto: ‘Esory ny toetranareo taloha, izay mifanaraka amin’ny fitondran-tenanareo fahiny.’ (Efesianina 4:22) Aoka ny teninao “rehefa Eny dia Eny.” (Jakoba 5:12) “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” (Efesianina 4:25) “Ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo.” (Kolosianina 3:20) Tsy maintsy ho hitan’ny ray aman-dreninao sy ny olon-kafa eny ihany ny fandrosoanao na ny ezaka ataonao.—1 Timoty 4:15.

Ahoana anefa raha mbola voafehifehy ihany ianao, nefa mba efa miezaka? Miresaha amin’ny ray aman-dreninao, ary mahaiza manaja. Aza manome tsiny azy, fa anontanio hoe inona no ezaka mbola mila ataonao. Lazao mazava tsara koa izay eritreretinao hatao mba hahatonga azy hatoky anao.

Tsy tokony hanantena anefa ianao hoe tonga dia hatoky anao ry zareo. Mety ho tiany ho hita aloha raha mitana ny teny nataonao ianao na tsia. Asehoy foana àry fa azo atokisana ianao. Mety hatoky anao kokoa izy ireo rehefa mandeha ny fotoana, ary tsy dia hifehifehy anao intsony. Hitan’i Bakoly hoe marina izany. Hoy izy: “Vao manao hadalana kely fotsiny ianao, dia efa tsy atokisan’ny olona intsony. Mila miezaka be ianao vao hatokisany indray. Faly aho izao fa efa manomboka matoky ahy dadanay sy mamanay!”

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 22, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Nisaraka ve ny ray aman-dreninao, ka hoatran’ny mikorontana ambony ambany ny fiainanao? Inona no azonao atao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ny Toko 7.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy.”—1 Petera 2:16, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara (DIEM).

SOSO-KEVITRA

Hoatran’ny voafehifehy be ve ianao, nefa ny zokinao tsy mba toy izany? Aza variana mieritreritra an’izany, fa jereo kosa hoe inona no tsy navela hataonao taloha, nefa efa azonao atao izao.

FANTATRAO VE... ?

Tsy tena tia anao sady tsy miraharaha anao ny ray aman-dreninao, raha avelany hanao izay rehetra tianao ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ireto no tsy hataoko intsony mba ho azo atokisana kokoa aho: ․․․․․

Izao no hataoko, raha tsy matoky ahy intsony i Dada sy Neny: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Mbola voafehifehy be ve ianao, nefa mba efa miezaka ny ho azo atokisana? Inona no mety ho antony?

● Nahoana no ilaina ny miresaka tsara amin’ny ray aman-dreny, raha tsy te ho voafehifehy be intsony?

[Teny notsongaina, pejy 24]

‘‘Tsy manafinafina amin’ny dadanay sy mamanay mihitsy aho rehefa manana olana. Izany angamba no mahatonga an-dry zareo hatoky ahy.’’—Dianna

[Kisary/Sary, pejy 23]

Te ho lasa olon-dehibe azo atokisana ve ianao? Mandeha tsikelikely izany, ary mila miezaka ianao

[Kisary]

(Jereo ny boky)

OLON-DEHIBE

TANORA

ANKIZY