Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Nanambady i Dada?

Inona no Hataoko fa Nanambady i Dada?

Toko 5

Inona no Hataoko fa Nanambady i Dada?

NANAMBADY ve ny dadanao? * Faly erỳ angamba izy tamin’ny mariaziny, fa ianao kosa nimonjomonjo be! Mba nanantena mantsy ianao hoe mbola hiverina hiaraka izy sy ny mamanao. Vao mainka aza ianao malahelo raha efa maty ny mamanao, indrindra raha maty vao haingana.

Inona no tsapanao tamin’ny dadanao nanambady? Iray amin’ireto ve?

Asio ✔ eo akaikiny.

□ Faly

□ Natahotra

□ Diso fanantenana

□ Saro-piaro tamin’ny dadanao

□ Nahatsapa hoe namadika an’ny mamanao satria nitady ho tia an’ilay renikelinao

Misy antony matoa ianao mahatsapa an’izany. Mety hoe tia be an’ilay mamanao, ohatra, ianao, ka lasa mieritreritra hoe namadika azy. Malahelo be loatra ianao indraindray, ka lasa te hila vaniny.

Ataonao foana, ohatra, izay hampijaly an’ilay renikelinao. Ataonao mihitsy aza izay hampiady azy sy ny dadanao, amin’izay ry zareo misaraka. Aza manao an’izany anefa, satria milaza ny ohabolana iray fa ‘izay mitondra korontana ao an-tranony dia handova rivotra’, izany hoe tsy hahomby ny tetika ataony. (Ohabolana 11:29, DIEM) Andeha isika hijery olana vitsivitsy, ary hodinihintsika hoe inona no azonao atao mba hahazakana izany.

1. Tsy te hankatò an’ilay renikelinao ianao

Sarotra aminao angamba ny mankatò ny renikelinao. Rehefa irahiny, ohatra, ianao, dia te hamaly hoe: ‘F’angaha ianao mamako no maniraka ahy?’ Mety ho falifaly ianao rehefa avy miteny an’izany. Tadidio anefa fa mbola manao sain-jaza ianao, raha izany no ataonao.

Miezaha àry hankatò an’ilay renikelinao. Ho hita amin’izay fa efa ‘mahay misaina’ hoatran’ny “olon-dehibe” ianao. Izany mantsy no asain’ny Baiboly hataontsika. (1 Korintianina 14:20) Tokony hanaja ny renikelinao ianao, satria manao ny andraikitry ny renim-pianakaviana izy.—Ohabolana 1:8; Efesianina 6:1-4.

Marina fa mibedy anao izy, indraindray. Sao dia mba tia anao sy mieritreritra izay hahasoa anao anefa izy matoa manao izany? (Ohabolana 13:24) Hoy i Ony, 18 taona: “Mibedy anay ilay dadakelinay indraindray. Tsy tezitra aminy anefa aho, satria izany mihitsy no tokony hataon’ny raim-pianakaviana. Raha tsy mankatò azy koa aho, dia hoatran’ny hoe tsy miraharaha ny zava-drehetra ataony ho anay. Izy no mamelona anay sy manampy anay ho tia an’Andriamanitra.”

Marina fa manao fahadisoana ilay renikelinao. Asehoy anefa hoe efa ‘lehibe’ ianao, ka araho ity torohevitra ity: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”—Kolosianina 3:13.

Inona no toetra tsaran’ilay renikelinao? Soraty eto izany. Manorata roa fara fahakeliny.

․․․․․

Inona no vokany raha mitadidy ny toetra tsarany ianao? Hanaja azy kokoa ve, ohatra, ianao?

․․․․․

2. Mbola tsy mahay miara-miaina amin’ny renikelinao sy ny zanany ianao

Hoy i Kiady, 24 taona: “Nanambady indroa dadanay taorian’ny mamanay. Tsy haiko ny nifandray tamin’ny vadiny sy ny zana-badiny. Tsy noraharahaiko ry zareo tamin’ny voalohany. Notenenina anefa aho hoe tsy maintsy tia an-dry zareo, hono. Sarotra be ilay izy!”

Ary ahoana ny aminao? Ianao irery angamba no ankizy tao an-trano taloha, na ianao no zokiny indrindra. Niova anefa izany izao. Raha ankizilahy indray ianao, dia ianao no hoatran’ny hoe loham-pianakaviana, nefa niova izany rehefa nanambady ny mamanao. Mety hisy olana hafa koa anefa. Hoy i Ony: “Tsy noraharahain’ny dadanay mihitsy mamanay. Izahay sy mamanay foana àry no niaraka. Ilay dadakelinay indray anefa tia be an’ny mamanay. Niaraka sy nifampiresaka foana ry zareo. Hoatran’ny hoe very namana aho, nefa zakako ihany ilay izy avy eo.”

Inona àry no azonao atao, mba hahay hiara-miaina amin’ny renikelinao sy ny zanany ianao? Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianao.’ (Filipianina 4:5) Midika hoe “mandefitra” ilay teny grika nadika hoe “mahay mandanjalanja.” Inona no hanampy anao handefitra? Aza eritreretina intsony ny taloha. (Mpitoriteny 7:10) Miezaha mba tsy ho tia tena. (1 Timoty 6:18) Aza iavonavonana ny renikelinao sy ny zanany.

Iza amin’ireo no tena mila iezahanao? ․․․․․

3. Hoatran’ny hoe miangatra ilay renikelinao

Hoy i Tosy: ‘Ny zanany no tena tian’ilay dadakelinay, dia nampihantainy be mihitsy. Novidiny daholo izay sakafo tian-dry zareo. Nahazo nanofa filma foana koa ry zareo.’ Ny zanany koa ve no tena tian’ilay renikelinao? Mafy ilay izy, nefa iezaho fantarina aloha ny antony. Marina fa zanany naterany ilay ankizy. Mety tsy ho izay anefa no mahatonga azy ho tia kokoa an’ilay zanany, fa ry zareo efa niaraka ela be. Na ianao koa aza ange mba toy izany ihany e! Ny dadanao no tianao kokoa noho ilay renikelinao!

Tsy voatery hoe miangatra anefa ilay renikelinao, raha tsy mitovy ny fomba itondrany anao sy ny zanany. Mahita ny zavatra ilain’ny ankizy tsirairay sy ny toetrany ny ray aman-dreny, ka arakarak’izay ny zavatra ataony aminy. Aza variana mijery àry hoe miangatra ve ilay renikelinao sa tsia. Diniho kosa sao mba efa miezaka manome izay ilainao izy.

Inona, ohatra, no zavatra ilainao ka efa ataony foana?

․․․․․

Inona no zavatra hitanao hoe mbola tsy ataony ho anao?

․․․․․

Raha mbola misy zavatra tsy ataony, nefa ilainao, dia resaho aminy amim-panajana izany.

Mbola handeha tsara ny fiainanareo!

Aza mieritreritra hoe hifanaraka tsara na hifankatia avy hatrany ianareo. Afaka taona maromaro vao hifampatoky sy tsy hifampihafahafa ary hifankahalala tsara ianareo rehetra. Amin’izay vao handeha tsara ny fiainanareo. Mila manam-paharetana àry ianao.

Tsy azon’i Thomas mihitsy ny ainy rehefa nanambady ny reniny. Telo ny zanak’ilay dadakeliny, ary efatra mianadahy kosa ry Thomas. Hoy izy: “Niady foana izahay, dia nifamaly, dia tsy nifampiteny. Samy tezitra be koa izahay. Nilamina anefa ilay izy tatỳ aoriana, satria niezaka nanaraka ny torohevitry ny Baiboly izahay.”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Miady lava ve ianao sy ny iray tam-po aminao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Marina fa ny lehilahy no resahinay ato hoe manambady indray. Misy koa anefa vehivavy manao izany.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany. Aleo olona manam-paharetana toy izay olona mihevi-tena ho ambony.”—Mpitoriteny 7:8.

SOSO-KEVITRA

Tandremo fa mety ho lasa taratara amin’ny zanaky ny renikelinao ianao. Raha vao mandalo ao an-tsainao izany, dia esory haingana, ary aza manao fihetsika na akanjo mety hahatonga azy hieritreri-dratsy.

FANTATRAO VE... ?

Miferinaina hoatr’anao koa ny zanaky ny renikelinao. Mba mafy aminy koa mantsy ny miara-mipetraka aminareo.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Hiezaka hitadidy ny zavatra tsara ataon’ny mamakeliko ho anay aho, amin’izay aho mba manaja azy kokoa. Ohatra hoe (manorata zavatra tsara roa): ․․․․․

Raha miavonavona amiko ny zanaky ny mamakeliko, dia hampihatra ny Romanina 12:21 aho, ka izao no hataoko: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada na ny mamakeliko momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Matahotra hiara-mipetraka aminao koa angamba ny renikelinao na ny zanany. Nahoana?

● Nahoana ianao no tokony hitadidy fa mety mbola hifandray tsara ianareo, rehefa mandeha ny fotoana?

[Teny notsongaina, pejy 38]

‘Efa nisaraka mamanay sy ilay dadakeliko, nefa mbola mpinamana be foana izahay sy ny zanak’ilay rangahy. Tiako be mihitsy ny niara-nipetraka tamin-dry zareo.’—Tosy

[Sary, pejy 39]

Toy ny hoe mampifangaro rano sy simenitra ianareo izao. Ilana ezaka sy faharetana ilay izy, nefa ahavitana zavatra mafy. Ho mafy tsara koa ny fianakavianareo, izany hoe hifankatia raha samy miezaka sy manam-paharetana