Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hiala ato An-trano Ihany ve Aho sa Tsia?

Hiala ato An-trano Ihany ve Aho sa Tsia?

Toko 7

Hiala ato An-trano Ihany ve Aho sa Tsia?

‘Hoatran’ny tsy manaja ahy ny olona indraindray, satria aho mbola mipetraka ao amin-dry dadanay sy mamanay. Tsy olon-dehibe ianao aminy raha tsy efa mahaleo tena.’—Katie.

“Tsy mba afaka manao izay tiako mihitsy aho, nefa efa ho 20 taona! Tena te hiala ao aminay aho!”—Fenosoa.

AZO inoana fa efa elaela ianao no te hahaleo tena, na dia mbola tsy mahavita mipetra-drery aza. Hitantsika tao amin’ny Toko 3 mantsy fa nataon’Andriamanitra handao ny ray aman-dreniny ny tanora rehefa lehibe, ka hanana ny tokantranony. (Genesisy 2:23, 24; Marka 10:7, 8) Ahoana anefa no hahalalanao raha efa mahavita tena ianao? Ireto misy fanontaniana telo mila eritreretinao. Voalohany...

Nahoana aho no te handeha?

Iza amin’ireto no tena mahatonga anao te hiala ao aminareo? Asio 1 eo akaikiny. Raha misy antony faharoa dia asio 2, ary toy izany hatrany.

․․․․․ Mankaleo ahy ny olana ao an-trano

․․․․․ Tsy te ho voafehifehy be

․․․․․ Te hohajain’ny namako

․․․․․ Misy namako mila olona hiara-mipetraka aminy

․․․․․ Te hanao asa an-tsitrapo any an-toeran-kafa

․․․․․ Te hianatra hahaleo tena

․․․․․ Tsy tiako ho lany vola amiko intsony ny ray aman-dreniko

․․․․․ Antony hafa ․․․․․

Tsy hoe ratsy ireo, nefa mila mandinika tsara ianao. Misy ankizy te hiala ao an-trano satria tsy te ho voafehifehy. Mety ho diso fanantenana anefa izy!

Nipetra-drery elaela, ohatra, i Diary, tamin’izy 20 taona. Hoy izy: ‘Tsy maintsy misy foana ny zavatra tsy azonao atao. Mba te hanao izay tianao ianao, nefa tsy manam-bola na tsy maintsy miasa.’ Hoy i Kanto, izay nipetraka enim-bolana tany andafy: “Tiako ilay izy, nefa hoatran’ny tsisy fotoana mihitsy aho! Izaho no tsy maintsy manao ny raharaha rehetra: Manadio trano, manamboatra ny simba, mikarakara zaridaina, manasa lamba.”

Tsy tokony ho maika hanapa-kevitra àry ianao, na dia misy mampirisika aza. (Ohabolana 19:2) Na tsara aza ny antony handehananao, dia tsy ampy izany. Tokony ho efa mahavita tena koa ianao. Mifandray amin’izany ny fanontaniana faharoa hoe...

Efa vonona ve aho?

Toy ny hoe hilasy any an’ala ianao rehefa hiala ao aminareo. Handeha ve ianao raha tsy hainao akory ny manangana lay, mandrehitra afo, mahandro sakafo, na mijery sarintany? Mazava ho azy fa tsia! Tanora maro anefa no miala ao an-trano na dia mbola tsy mahay manao raharaha aza.

Nilaza i Solomona, mpanjaka hendry, fa mandinika tsara ny olona malina. (Ohabolana 14:15) Diniho àry ireto manaraka ireto, ka asio izay efa hainao, ary asio X izay mbola mila ianaranao. Ho hitanao amin’izay raha efa mahavita mipetra-drery ianao na tsia.

Mitantam-bola: Hoy i Serena, 19 taona: ‘Matahotra aho hoe tsy hahay hitantam-bola. Ny tao an-trano foana tsinona no niantoka an’izay zavatra nilaiko.’ Ary ianao? Ahoana no hahaizanao mitantam-bola?

Hoy ny Baiboly: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany.” (Ohabolana 1:5) Anontanio àry ny ray aman-dreninao hoe ohatrinona eo ho eo isam-bolana no lanin’ny olona iray amin’ny sakafo, hofan-trano, saran-dalana, ary jiro sy rano. Asaivo atorony avy eo ny fomba hitsinjarana ny volanao mba handoavana izany. *

Manao raharaha: Nilaza i Dimby, 17 taona, fa ny manasa lamba no tena atahorany hoe tsy ho vitany. Ahoana àry no hahalalanao raha efa mahavita mipetra-drery ianao na tsia? Hoy i Aron, 20 taona: ‘Ataovy toy ny hoe mipetra-drery ianao, mandritra ny herinandro. Ianao no mandoa ny saran-dalanao. Ianao koa no manasa sy mipasoka ny lambanao, manadio ny efitranonao, ary miantsena sy mahandro ny sakafonao. Ny volanao ihany ampiasaina.’ Mahasoa anao izany, satria lasa mahay zavatra ianao sady lasa mankasitraka kokoa ny ray aman-dreninao.

Mifandray amin’olona: Miady lava amin’ny olona ao an-tranonareo angamba ianao, ka te hiala ao. Aleonao miara-mipetraka amin’ny namanao. Hoy anefa i Anja, 18 taona: “Nisy namako roa niara-nipetraka. Mpinamana be ry zareo, nefa lasa niady foana. Ny iray mantsy madio sy milamina, fa ny iray tsy hoatr’izany. Ny iray tia fivavahana, fa ny iray kosa eo ho eo. Tsy nifanaraka mihitsy ry zareo!”

Inona àry no tokony hataonao? Hoy i Faniry, 18 taona: “Ao amin’ny dadanao sy mamanao ianao no tena mianatra mifandray amin’olona. Mianatra mandefitra sy mandamina olana tsinona ianao ao. Misy ankizy miala ao amin’ny ray aman-dreniny satria leo miady amin-dry zareo. Mandositra olana fotsiny anefa izy, fa tsy mahay mandamina an’ilay izy.”

Mahavita manompo foana an’Andriamanitra: Misy tanora miala ao an-trano, satria tsy vitany, hono, ny mianatra Baiboly foana sy manompo an’Andriamanitra hoatran’ny ray aman-dreniny. Ny hafa kosa nieritreritra ny hanao an’ireo ihany, saingy lasa varimbariana na naditra. Inona no azonao atao mba hanompo an’Andriamanitra foana ianao, fa tsy ho ‘vaky sambo amin’ny finoana’? *1 Timoty 1:19.

Tian’i Jehovah Andriamanitra handinika tsara isika rehetra raha marina na tsia ny zavatra inoantsika. (Romanina 12:1, 2) Ianao mihitsy àry no mila manokana fotoana hianarana Baiboly sy hivoriana ary hitoriana. Soraty eo amin’ny kalandrie ilay izy, ary jereo raha vitanao mandritra ny iray volana. Tohizo foana izany. Aza miandry hotenenin’ny ray aman-dreninao.

Ny fanontaniana farany dia hoe...

Inona no tanjoko?

Aoka hatao hoe leon’ny olana ao aminareo ianao, na tsy te ho voafehifehy, ka aleonao mandeha. Fantatrao ve fa tsy mety izany? Te hiala olana fotsiny mantsy ianao, fa tsy mieritreritra ny fiainanao aorian’izay. Toy ny hoe mitondra fiara ianao, nefa ny fitaratra fijerena ny ao aoriana foana no ifantohanao fa tsy ny lalana. Ny toerana efa nandalovanao no eritreretinao fa tsy izay halehanao. Aza maika hiala ao aminareo àry. Aleo aloha manana tanjona tsara vao mandeha.

Misy Vavolombelon’i Jehovah mankany an-toeran-kafa na any an-tany hafa, mba hitory na hanampy amin’ny fanorenana toeram-pivavahana. Misy koa miasa any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny hafa indray te hipetra-drery elaela aloha vao manambady. *

Na inona na inona tanjonao, dia aza maika hanapa-kevitra. Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Araho ny tenin’ny ray aman-dreninao. (Ohabolana 23:22) Mivavaha, ary saintsaino ny torohevitry ny Baiboly noresahina tato.

Aza variana mieritreritra àry hoe: ‘Hiala ato an-trano ihany ve aho sa tsia?’, fa diniho aloha hoe: ‘Efa mahavita mamelon-tena sy mikarakara tena ve aho?’ Efa afaka mahaleo tena ianao raha mahavita an’ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 19.

^ feh. 27 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 34 sy 35.

^ feh. 32 Any amin’ny tany sasany, dia tsy miala ao an-trano ny zanaka, indrindra ny zanakavavy, raha tsy efa manambady. Tsy misy fitsipika momba izany ao amin’ny Baiboly.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny.”—Matio 19:5.

SOSO-KEVITRA

Manandrama mandoa hofan-trano sy vidin-tsakafo, na zavatra hafa amin’ny ray aman-dreninao, mandritra ny volana vitsivitsy. Mbola tsy mahavita mipetra-drery ianao raha tsy mahaloa an’ireo, na tsy mahafoy vola.

FANTATRAO VE... ?

Tsy ho sambatra ianao raha antony ratsy no ialanao ao aminareo.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Te hiala ao amin’i Dada sy Neny aho, satria mba te hanatratra an’ity tanjona ity: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no soa horaisinao raha tsy maimaika hiala ao aminareo ianao, na dia misy olana aza ao?

● Inona no azonao atao dieny mbola ao amin’ny ray aman-dreninao, mba hanampiana azy sy hiomanana amin’ny fiainanao any aoriana any?

[Teny notsongaina, pejy 52]

‘‘Ara-dalàna raha te hahaleo tena ianao. Fa raha te hiala ao aminareo ianao satria fotsiny hoe tsy te ho voafehifehy, dia mbola tsy vonona ianao izay!’’—Aron

[Sary, pejy 50, 51]

Toy ny hoe hilasy any an’ala ianao, rehefa hiala ao aminareo. Misy zavatra vitsivitsy mila hainao vao afaka mandeha ianao